Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Handaminako ny Fotoanako?

Ahoana no Handaminako ny Fotoanako?

 Nahoana ianao no mila mandamina ny fotoananao?

  •   Sarobidy ny fotoana. Raha lanilaninao fotsiny izy io, dia tsy hanana intsony ianao rehefa tena mila azy. Raha hainao kosa ny mandamina azy, dia hahavita an’izay zava-dehibe ianao sady mbola hanam-potoana hanaovana zavatra hafa.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Maro ny fanirian’ny kamo, nefa tsy manana na inona na inona izy. Tsy hanan-java-mahory kosa ny mazoto.”—Ohabolana 13:4.

     Tadidio izao: Betsaka kokoa ny zavatra azonao atao raha mahay mandamina fotoana ianao.

  •   Tsy ho sahirana ianao rehefa lehibe, raha izao dia efa mahay mandamina fotoana. Tsy hatahorana ho voaroaka amin’ny asanao, ohatra, ianao. Eritrereto hoe tompona orinasa ianao. Iza no hotazoninao: Ny olona tara lava sa ny olona manaja fotoana?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izay mendri-pitokisana amin-javatra madinika dia mendri-pitokisana koa amin’ny zava-dehibe.”—Lioka 16:10.

     Tadidio izao: Anisan’ny itsaran’ny olona anao ny fahaizanao mandamina fotoana.

 Tsy mora anefa ny mandamina fotoana. Inona no mety ho olana?

 Olana #1: Namana

 “Manaiky hiaraka amin’ny namako foana aho matetika, na dia misy zavatra tokony hataoko aza. Hozy aho hoe ‘vetivety no hanaovako an’io rehefa tafaverina aho.’ Tsy vitako akory anefa ilay izy indraindray, dia tsisy mandeha amin’izay laoniny ny zava-drehetra avy eo.”—Cynthia.

 Olana #2: Fialam-boly

 “Hoatran’ireny misy lakaoly ireny ny sezanao rehefa mijery tele ianao. Variana eo ianao rehefa misy fandaharana na filma tsara be.”—Ivy.

 “Efa ho adiny zato aho indraindray no eo amin’ny tablette-ko. Lany mihitsy ny bateria vao tafala eo aho, dia menatra be aho avy eo.”—Marie.

 Olana #3: Mangataka andro

 “Mangataka andro foana aho rehefa hoe hanao devoara na zavatra hafa. Efa am-poto-moty aho vao manao an’ilay izy, satria ilaozako manao zavatra tsisy dikany. Hita mihitsy hoe tsy mahay mandamina fotoana e!”—Beth.

Betsaka kokoa ny zavatra azonao atao, raha mahay mandamina fotoana ianao

 Inona no azonao atao?

  1.   Ataovy lisitra ny zavatra mila ataonao. Ohatra hoe ny raharaha ao an-trano na ny devoara. Soraty koa hoe adiny firy eo ho eo isan-kerinandro no ilainao mba hanaovana an’ilay izy.

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

  2.   Ataovy lisitra koa ny fialam-boly tianao hatao. Ohatra hoe mijery tele na miresaka amin’ny namana ao amin’ny Internet. Soraty koa hoe adiny firy isan-kerinandro no laninao anaovana an’izany.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Mitondrà tena amim-pahendrena foana ... ka mahaiza manararaotra fotoana.”—Kolosianina 4:5.

  3.   Manaova fandaharam-potoana. Jereo indray ilay lisitra anankiroa avy eo. Ampy ve ny fotoana hanaovanao an’izay tena zava-dehibe? Sa mila akana ny fotoana hanaovanao fialam-boly?

     Soso-kevitra: Ataovy lisitra izay zavatra tokony hataonao ao anatin’ny andro iray. Asio marika izay vitanao.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.

  4.   Araho foana ilay fandaharam-potoana. Mety hoe tsy maintsy mandà fanasana ianao indraindray mba hahavitana an’izany. Ho hitanao anefa hoe malalaka kokoa ny fotoananao rehefa manana fandaharam-potoana ianao. Vao mainka hankafizinao ny fotoana ialanao voly amin’izay.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aza malaina amin’izay ataonareo.”—Romanina 12:11.

  5.   Vitao daholo izay tokony hatao vao miala voly. Hoy i Tara: “Ataoko lisitra izay zavatra hataoko mandritra ny andro. Vao mahavita anankiroa anefa aho indraindray dia efa te haka aina. Hozy aho hoe: ‘Aleo rangahy izaho mba hijery tele kely aloha mandritra ny fahefatr’adiny a!’ Variana eo anefa aho, dia lasa ny antsasak’adiny, dia avy eo adiny iray. Tsy hitahitako akory dia efa adiny roa aho no teo!”

     Inona no vahaolana? Aza miala voly raha tsy efa vitanao daholo izay tokony hataonao. Tsy voatery hoe hiala voly foana mantsy ianao isan’andro.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny ... mifaly noho ny asa mafy ataony.”—Mpitoriteny 2:24.