5 FEBROARY 2015
ARMENIA
Nahomby Ilay Fandaharana Momba ny Fanompoana Sivily any Armenia
Efa herintaona sahady izay no nanombohan’ilay fandaharana vaovao momba ny fanompoana sivily any Armenia. Nety tsara ilay izy. Tovolahy Vavolombelon’i Jehovah no nandray anjara voalohany tamin’izy io. Afaka manao asa mahasoa ny hafa izao izy ireo, fa tsy voatery migadra na dia tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany aza.
Tsy nanan-tsafidy ny tovolahy Vavolombelona tany Armenia, nanomboka tamin’ny 1985, fa tsy maintsy nigadra rehefa tsy nety nanao miaramila. Tsy nisy lalàna momba ny fanompoana sivily mantsy tany, ka Vavolombelona 450 mahery no nigadra tao anatin’ny 20 taona, ary niaritra ny mafy tany am-ponja. Niova anefa izany tamin’ny Jona 2013, rehefa nasiana fanitsiana ny Lalàna Momba Fanompoana Sivily any Armenia.
Vavolombelona 57 no nekena hanao fanompoana sivily tamin’ny 23 Oktobra 2013. Izy ireo no nisantatra an’ilay izy. a Nisy hafa koa nahazo alalana tatỳ aoriana. Tovolahy Vavolombelona 71 no nanomboka ny asa nanendrena azy tamin’ny herinandron’ny 13 Janoary 2014. Vavolombelona 126 mahery no efa nandray anjara tamin’izy io tamin’ny faran’ny taona 2014.
Nahomby ilay fandaharana
Hita taratra izany tamin’ny tenin’ireo tompon’andraikitra sy mpanara-maso ary mpiara-miasa amin’ireo Vavolombelona. Voamariny mantsy fa mazoto miasa, tia manampy ny hafa, ary tsara fitondran-tena ireo tovolahy Vavolombelona. Maro amin’ireo tompon’andraikitra no niaiky fa sarobidy amin’ny fitondrana any Armenia ny fanompoana ataon’ny Vavolombelona. Mazoto manatontosa ny fanompoana anendrena azy koa izy ireo.
“Asa be mihitsy no ataonareo ho an’ny fanjakana, nefa kely dia kely ny karamanareo. Hita koa hoe mazoto miasa ianareo.”—Mpanara-maso ny Fanompoana Sivily ao Yerevan/Shengavit.
“Tsara mihitsy ny ataonareo! Miezaka mampihatra ny fitsipika mifehy ny Kristianina ianareo, nefa koa miezaka mba ho azo ampiasaina eo amin’ny fiaraha-monina.”—Mpitsabo mpanampy tao amin’ny trano fitaizana zaza kamboty, izay niasan’ny Vavolombelona sasany.
“Mbola misy tovolahy hoatran’anareo angaha any? Asaivo mankatỳ ry zareo fa vonona aho handray azy hiasa ato amiko!”—Tompon’andraikitra Amin’ny Fanompoana Sivily ao Yerevan/Arabkir.
Nankasitraka an’ilay fanompoana sivily koa ireo Vavolombelona nandray anjara tamin’izy io.
“Tia sy manaja ahy ny mpiara-miasa amiko. Nisy fotoana aho narary dia tsy maintsy nijanona tany an-trano. Niantso ahy an-telefaonina mihitsy ry zareo ary nanontany ny fahasalamako. Hitako hoe fitahiana lehibe izany, satria afaka manompo an’Andriamanitra aho sady tsy miady saina mihitsy.”—Gevorg Taziyan, voatendry ho mpanampy ny mpamily ao amin’ny faritra iray iadidian’ny Minisiteran’ny Vonjy Taitra.
“Mifandray tsara amin’ireo tompon’andraikitra sy ny mpiasa izahay, any am-piasana. Hitanay hoe mitady izay hahasoa anay ry zareo, dia mba miezaka manampy an-dry zareo koa izahay. Asa tsy tokony hataonay no nampanaovina anay, indray mandeha, fa nataonay ilay izy.”—Samvel Abrahamyan, voatendry ho mpiambina ao amin’ny Hopitaly Mitsabo Aretin-tsaina any Sevan.
“Nisy 13 izahay no nanomboka niasa tao amin’ny Minisiteran’ny Vonjy Taitra, tamin’ny 14 Janoary 2014. Mifandray tsara amin’ny rehetra izahay hatramin’ny niasanay tao. Tsy misy olana mihitsy eo aminay sy ny tompon’andraikitra. Gaga ry zareo mahita anay tia miara-miasa.”—Artsrun Khachatryan, voatendry ho mpiambina ao amin’ny Minisiteran’ny Vonjy Taitra.
Mahomby ilay fanompoana sivily any Armenia, satria miara-miasa tsara ny lehiben’ireo toeram-piasana sy ny tompon’andraikitra amin’ilay fanompoana sivily. Ireo Vavolombelona koa manana toe-tsaina tsara sady mazoto miasa. Faly ireo Vavolombelon’i Jehovah any Armenia, satria afaka manao fanompoana ho an’ny fireneny nefa tsy mampandefitra ny zavatra inoany sady tsy migadra na dia tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany aza.
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe “Avelan’i Armenia Manao Fanompoana Sivily Ireo Tsy Mety Manao Miaramila”