Hijery ny anatiny

Nandravarava toeram-pivoriana iray tao Macambo, any San Antonio del Sur, ny Rivo-doza Oscar

6 NOVAMBRA 2024
CUBA

Nandravarava An’i Cuba ny Rivo-doza Oscar

Nandravarava An’i Cuba ny Rivo-doza Oscar

Niditra an-tanety tany akaikin’i Baracoa, ao amin’ny faritr’i Guantánamo, any atsinanan’i Cuba, ny Rivo-doza Oscar tamin’ny 20 Oktobra 2024. Sokajy voalohany no misy an’io rivo-doza io, ary nahatratra 120 kilaometatra isan’ora ny rivotra nentiny. Tena nanimba ny fitaovana mitondra herinaratra tao amin’ilay faritra izy io. Nahatratra 38 santimetatra ny rotsakorana tany amin’ny faritra atsinanan’i Cuba, ka betsaka ny trano sy ny fivarotana ary ny voly tototry ny rano. Trano 2 000 mahery no simba ary olona fito, fara fahakeliny, no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Nampalahelo fa nisy anabavy zokiolona iray maty

  • Mpitory 2 no naratra

  • Mpitory 14 no nafindra toerana

  • Trano 13 no rava. Fanaovana fivoriana ny 2 tamin’ireo

  • Trano 22 no simba be

  • Trano 5 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nampahery sy nanome ny zavatra ilain’ireo tra-boina ny solontenan’ny sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy teo an-toerana

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 2 no notendrena handamina ny fanampiana tra-boina

Malahelo isika satria betsaka ny zavatra simba tamin’iny rivo-doza iny, ary nisy koa ny olona maty. Matoky anefa isika fa hanohana an’izay rehetra miantehitra aminy i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.​—Salamo 55:22.