Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Tele JW Satelita any Amin’ny Toerana Tsy Misy Internet

Tele JW Satelita any Amin’ny Toerana Tsy Misy Internet

1 APRILY 2021

 Efa tsy andrintsika isam-bolana izay hijerena video isan-karazany sy fandaharana mampahery ao amin’ny Tele JW. Maro amin’ny mpiara-manompo amintsika any Afrika anefa no tsy mba afaka maka azy ireny ao amin’ny Internet. Nahoana?

 Faritra maro any Afrika no tsy mahazo Internet, ary na dia hoe misy toerana mahazo Internet aza, dia matetika no miadana be ilay izy na lafo be. Nisy mpiandraikitra ny faritra iray any Madagasikara, ohatra, nandeha naka ny fandaharana Tele JW isam-bolana tany amin’ny cybercafé, dia 57 000 ariary eo ho eo no nasaina naloany. Mbola betsaka kokoa noho ny karaman’ny olona sasany any mandritra ny herinandro izany!

 Na dia eo aza anefa izany olana rehetra izany, dia olona an-tapitrisany any Afrika no lasa afaka mijery ny fandaharana Tele JW, nefa tsy mila mampiasa Internet. Fa ahoana no ataon’izy ireo?

 Nanomboka tamin’ny 2017, dia nalefa tamin’ny tele satelita ny Tele JW, dia lasa afaka manaraka azy io ny mpiara-manompo amintsika any Afrika atsimon’i Sahara. Tsy andoavam-bola io tele satelita io sady mandeha foana na andro na alina, manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny alahady. Misy amin’ny fiteny 16 koa izy io.

Rahalahy any Mozambika mandefa ny décodeur amin’ilay Tele JW Satelita, any amin’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny 2018

 Nanao fifanarahana tamin’ny orinasa iray mpandefa tele amin’ny satelita aloha ny Vavolombelon’i Jehovah. Firenena 35 eo ho eo any Afrika atsimon’i Sahara no mahazo an’io tele satelita io. Mahatratra 12 000 dolara a mahery isam-bolana no vola aloa amin’ilay izy. Mandoa vola fanampiny isika indraindray rehefa misy fandaharana manokana alefa amin’ny canal hafa. Vokatr’izany, dia an’arivony no afaka manaraka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, na ny fandaharana manokana alefa mivantana mifandray amin’ny fitsidihana sampana.

Ekipa mpanao fanorenana any Malawi, miara-mijery Tele JW Satelita, tamin’ny 2018

 Be dia be no lasa afaka mijery ny Tele JW Satelita any an-tranony, anisan’izany ny olona tsy Vavolombelona. Tsy takatry ny volan’ny mpiara-manompo maro anefa ny vidin’ny fitaovana hijerena an’ilay tele satelita. Mba hanampiana azy ireo àry, dia nasiana fitaovana azo ijerena tele satelita any amin’ny Efitrano Fanjakana 3 670 mahery, amin’izay ny rahalahy sy anabavy afaka mijery ny Tele JW any. Raha efa misy efijery na fitaovana fandefasana video ao amin’ilay Efitrano Fanjakana, dia 70 dolara eo ho eo ny vidin’ilay fitaovana miaraka amin’ny saran-dalana hanaterana an’ilay izy. Fa raha tsy izany, dia mety hahatratra hatramin’ny 530 dolara ny vidin’ny fitaovana rehetra ilaina mba handefasana an’ilay tele satelita.

 Tena faly ny rahalahy sy anabavy rehefa nahazo an’ilay Tele JW Satelita. Hoy ny anti-panahy iray any Cameroun: “Hoatran’ireny hoe mana any an-tany efitra ireny ilay izy aminay mianakavy.” Hoy i Odebode, rahalahy mipetraka any Nizeria: “Intelo isan-kerinandro izahay mianakavy no miara-mijery ny Tele JW Satelita. Tsy andrin’izy telo lahy zanakay mihitsy ny fotoana hijerena an’ilay izy. Miteny mihitsy aza ry zareo indraindray hoe aleo mba Tele JW Satelita no jerena.” Hoy koa i Rose, any Nizeria: “Faly aho izao fa tsy mijery vaovao matetika intsony fa mijery Tele JW Satelita . Mora sorena kely aho mantsy rehefa mahita vaovao ratsy, sady miakatra ny tosidrako. Ny fandaharana ao amin’ny Tele JW anefa tena mampahery sady mampitony. Io no canal tiako indrindra. Tena fitahiana avy amin’i Jehovah mihitsy ilay izy.”

Fianakaviana iray any Malawi, miara-mijery video ho an’ny ankizy amin’ny alalan’ny tele satelita

 Nanao tatitra ny mpiandraikitra ny faritra iray any Mozambika fa nasiana fitaovana mampandeha an’ilay tele satelita ny Efitrano Fanjakana any amin’ny faritra tsidihiny. Tonga adiny iray na adiny iray mahery alohan’ny fivoriana ny rahalahy sy anabavy any amin’ireny fiangonana ireny mba hijery ny Tele JW amin’ny satelita.

Fiangonana iray any Etiopia, avy nijery fandaharana isam-bolana ao amin’ny Tele JW nefa tsy nampiasa Internet, tamin’ny 2018

 Nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Johannesburg, any Afrika Atsimo, tamin’ny 2019, dia io tele satelita io no nampiasaina mba handefasana lahateny sasany tany amin’ny toerana sivy, anisan’izany ny lahatenin’ny rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy i Sphumelele, ao amin’ny Sampan-draharaha eo An-toerana Mampiely Feo sy Video any amin’ny sampan’i Afrika Atsimo: “Tsy maintsy nalefanay tamin’ny alalan’ny Internet ny lahateny hoatr’ireny taloha. Raha tsy Internet matanjaka tsara anefa tsy nety, sady amin’izay mbola novidina koa ilay izy. Ny Tele JW Satelita anefa mora kokoa ny vidiny sady tena mandeha tsara.”

 Misaotra betsaka anareo amin’ny fanomezana ataonareo ho an’ny asa maneran-tany, satria betsaka amin’ireo mpiara-manompo amintsika any Afrika no lasa afaka mahita ny Tele JW amin’ny alalan’ny satelita. Tena ankasitrahanay ny fanomezana ataonareo amin’ny fomba samihafa ao amin’ny donate.pr2711.com.

a Dolara amerikanina ny dolara rehetra resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.