Nosoratan’i Matio 27:1-66
27 Rehefa maraina ny andro, dia niara-nandinika daholo ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka hoe ahoana no hamonoana an’i Jesosy ho faty.+
2 Ary nofatoran’izy ireo izy, dia nentiny ka natolony an’i Pilato governora.+
3 Rehefa hitan’i Jodasy, ilay namadika azy, fa voaheloka i Jesosy, dia nanenina izy ka naveriny tany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy ny volafotsy 30 sekely.+
4 Hoy izy: “Nanota aho fa namadika olona tsy manan-tsiny.” Hoy anefa ireo: “Anao izany* fa tsisy idiranay!
5 Dia natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly ireo vola* ireo, dia lasa izy nananton-tena.+
6 Nalain’ny lehiben’ny mpisorona anefa ireo vola* ireo, ka niteny izy ireo hoe: “Vidin-dra ireto, ka tsy azo arotsaka ao amin’ny toerana masina fitehirizan-karena.”
7 Dia niara-nidinika izy ireo, ka nividianany ny sahan’ny mpanefy tanimanga ilay vola, mba hatao fasam-bahiny.
8 Nantsoina hoe Sahan-dra+ àry io saha io hatramin’izao.
9 Tamin’izay no tanteraka ilay nasaina nolazain’i Jeremia mpaminany hoe: “Dia nalain’izy ireo ny volafotsy 30 sekely, izay vidiny nanombanana an’ilay lehilahy. Izy ilay notombanan’ny zanak’Israely.
10 Nomen’izy ireo hividianana ny sahan’ny mpanefy tanimanga izany, araka ny nandidian’i Jehovah* ahy.”+
11 Ary nijoro teo anatrehan’ny governora i Jesosy, ka nanontaniany hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?” Dia hoy i Jesosy: “Voalazanao.”+
12 Tsy namaly mihitsy anefa izy rehefa nampangain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy.+
13 Ary hoy i Pilato: “Angaha tsy henonao izany zavatra be dia be iampangany anao izany?”
14 Tsy namaly azy anefa izy na indraim-bava aza, dia gaga be ilay governora.
15 Efa fanaon’ny governora isaky ny fety ny manafaka voafonja iray tian’ny vahoaka.+
16 Nisy voafonja iray nalaza ratsy antsoina hoe Barabasy, tamin’izay fotoana izay.
17 Rehefa tafangona àry ny olona, dia hoy i Pilato: “Iza no tianareo hafahako ho anareo: I Barabasy sa i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?”
18 Fantatr’i Pilato mantsy fa fialonana no nahatonga azy ireo hanolotra an’i Jesosy.
19 Ankoatra izay, tamin’i Pilato mbola nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana iny, dia nisy olona nirahin’ny vadiny hiteny taminy hoe: “Aza midikiditra amin’ny raharahan’io olo-marina io ianao, fa nijaly be aho androany fa nanonofy azy halina.”
20 Nandresy lahatra ny vahoaka anefa ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy mba hiteny hoe: “Avotsory i Barabasy,+ fa vonoy i Jesosy!”+
21 Dia nanontany azy ireo indray ilay governora hoe: “Iza amin’izy roa lahy no tianareo hafahako ho anareo?” Dia hoy izy ireo: “Barabasy.”
22 Ary hoy i Pilato: “Hataoko ahoana àry izany i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?” Dia hoy izy rehetra: “Fantsiho eo amin’ny tsato-kazo izy!”+
23 Ary hoy izy: “Fa maninona? Fa inona no ratsy nataony?” Vao mainka anefa izy ireo niantsoantso hoe: “Fantsiho eo amin’ny tsato-kazo izy!”+
24 Ary hitan’i Pilato fa tsy nisy vokany ny nataony fa vao mainka nisahotaka ny olona. Dia naka rano izy, ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady niteny hoe: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’io lehilahy io àry aho! Anareo izany!”
25 Dia niteny daholo ny olona hoe: “Aleo izahay sy ny zanakay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany e!”+
26 Nafahan’i Pilato àry i Barabasy, satria te hampifaly ny vahoaka izy. I Jesosy kosa nasainy nokaravasina,+ dia natolony hovonoina teo amin’ny tsato-kazo.+
27 Ary nentin’ny miaramilan’ny governora nankao an-tranon’ny governora i Jesosy, dia novorin’izy ireo nanodidina azy daholo ny miaramila.+
28 Dia nesorin’izy ireo ny akanjon’i Jesosy, ka nampitafiany lamba mena midorehitra izy.+
29 Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo ka nataony teo amin’ny lohan’i Jesosy, dia nasiany bararata teny an-tanany ankavanana. Ary nandohalika teo anatrehany izy ireo, dia nanesoeso azy sady niteny hoe: “Miarahaba anao,* ry Mpanjakan’ny Jiosy!”
30 Dia nororan’ireo izy,+ sady nalainy ilay bararata ka nokapohiny tamin’iny ny lohany.
31 Tamin’ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin’ny tsato-kazo izy avy eo.+
32 Rehefa nivoaka izy ireo, dia nahita lehilahy iray avy any Kyrena, antsoina hoe Simona. Notereny hitondra ny hazo fijalian’i* Jesosy io lehilahy io.+
33 Rehefa tonga teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Golgota, na hoe Ikarandoha,+ izy ireo,
34 dia nomeny divay nafangaro zava-mangidy i Jesosy hosotroiny.+ Tsy nety nisotro anefa izy rehefa avy nanandrana an’ilay izy.
35 Rehefa voafantsik’ireo teo amin’ny tsato-kazo izy, dia nozarain’izy ireo ny akanjony ivelany ka nanaovany antsapaka.+
36 Dia nipetraka niambina azy teo izy ireo.
37 Napetany terỳ ambonin’ny lohany koa ny soratra momba ny fiampangana azy hoe: “Ity no Jesosy Mpanjakan’ny Jiosy.”+
38 Nisy jiolahy roa koa natao teo amin’ny tsato-kazo teo akaikiny, ka ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.+
39 Ary nanevateva azy ny mpandalo,+ sady nihivingivin-doha+
40 no niteny hoe: “Hay ianao ilay handrodana ny tempoly dia hanorina azy ao anatin’ny telo andro?+ Vonjeo ny tenanao e! Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia midìna avy eny amin’ny hazo fijaliana* eny!”+
41 Nanesoeso hoatr’izany koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, sady niteny hoe:+
42 “Ny hafa novonjeny, nefa ny tenany tsy hainy vonjena! Izy no Mpanjakan’ny Israely.+ Aleo izy hidina avy eny amin’ny hazo fijaliana,* dia hino azy isika.
43 Natoky an’Andriamanitra izy. Koa raha tia azy Andriamanitra, dia tokony hamonjy azy,+ satria izy niteny hoe: ‘Zanak’Andriamanitra aho.’”+
44 Na ireo jiolahy natao teo amin’ny tsato-kazo teo akaikiny aza mba nandatsa azy hoatr’izany koa.+
45 Ary nisy haizina nanarona an’ilay faritra manontolo, nanomboka tamin’ny ora fahenina* ka hatramin’ny ora fahasivy.*+
46 Ary tamin’ny ora fahasivy teo ho eo, dia niantso mafy i Jesosy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, izany hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?”+
47 Rehefa naheno an’izany ny olona sasany nijoro teo, dia niteny hoe: “Miantso an’i Elia ilehity.”+
48 Tonga dia nihazakazaka naka spaonjy ny iray tamin’izy ireo, dia natsobony tao anaty divay marikivy ilay izy ka nataony teo amin’ny bararata iray, ary nomeny hosotroin’i Jesosy.+
49 Hoy anefa ny olon-kafa teo: “Avelao izy e! Aleo hojerentsika raha ho avy hamonjy azy i Elia.”
50 Dia niantsoantso mafy indray i Jesosy, dia tapitra ny ainy.+
51 Dia triatra nizara roa+ hatrany ambony ka hatrany ambany+ ilay ridao tao amin’ny toerana masina.+ Nisy horohoron-tany koa tamin’izay, ka nitresaka ny vatolampy.
52 Nisokatra koa ny fasana ka betsaka ny faty nitsangana, izany hoe ny fatin’ny olona masina efa nodimandry,*
53 ka be dia be no nahita an’izany.—Ary niditra tao amin’ny tanàna masina ny olona avy teny amin’ny fasana, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy.—
54 Rehefa nahita an’ilay horohoron-tany sy ny zava-nitranga ilay manamboninahitra sy ireo niaraka taminy niambina an’i Jesosy, dia natahotra be ka niteny hoe: “Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io.”+
55 Nisy vehivavy be dia be koa nitazana teny lavidavitra teny. Efa nanaraka an’i Jesosy nanomboka tany Galilia izy ireo mba hikarakara azy.+
56 Anisan’ireny i Maria Magdalena, sy Maria renin’i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ny zanak’i Zebedio.+
57 Rehefa harivariva ny andro, dia tonga ny lehilahy iray mpanankarena avy any Arimatia. Josefa no anarany ary mpianatr’i Jesosy koa izy.+
58 Nankany amin’i Pilato izy ka nangataka ny fatin’i Jesosy.+ Dia namoaka didy i Pilato hoe homena azy ilay faty.+
59 Nalain’i Josefa àry ilay faty ka nofonosiny lamba madio vita tamin’ny rongony tena tsara.+
60 Dia napetrany tao amin’ny fasany vaovao+ nolavahany tao amin’ny vatolampy ilay izy. Ary nanakodia vato be teo am-baravaran’ilay fasana izy, dia lasa.
61 Fa i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray kosa mbola nijanona teo ihany, nipetraka teo anoloan’ilay fasana.+
62 Ny ampitson’iny, taorianan’ny Andro Fiomanana,+ dia nivory teo anatrehan’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo
63 ka nilaza hoe: “Tadidinay, tompoko, ny tenin’iny mpisandoka iny tamin’izy mbola velona hoe: ‘Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.’+
64 Koa asaivo ambenana tsara ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, sao ho avy hangalatra azy ny mpianany+ dia hiteny amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’ Dia vao mainka ho ratsy noho ny tamin’ny voalohany izany lainga izany.”
65 Dia hoy i Pilato: “Makà mpiambina, dia mandehana miaraka amin-dry zareo ka ambeno tsara araka izay vitanareo ny fasana.”
66 Lasa àry izy ireo nanisy tombo-kase ny vato sady nametraka mpiambina mba hiarovana ny fasana.
Fanamarihana
^ Na: “Raharahanao izany.”
^ Vola vita amin’ny volafotsy.
^ Vola vita amin’ny volafotsy.
^ Na: “Manahoana.”
^ Izany hoe tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.
^ Izany hoe tamin’ny 3 tolakandro teo ho eo.
^ Abt: “matory (ao amin’ny fahafatesana).”