Salamo 11:1-7

  • Mialoka amin’i Jehovah

    • “Ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah” (4)

    • Mankahala an’izay tia herisetra i Jehovah (5)

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida. 11  I Jehovah no ialofako,+ Koa nahoana ianareo no sahy milaza amiko hoe: “Mandosira toy ny vorona, dia mankanesa any an-tendrombohitrareo?  2  Jereo fa manomana* tsipìka ny ratsy fanahy;Ataon’izy ireo eo amin’ny tadin-tsipìka ny zana-tsipìkany,Mba hitifirany ny mahitsy fo, avy ao amin’ny maizimaizina.  3  Raha rava ny fototra,*Inona no azon’ny olo-marina atao?”  4  Ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah.+ Any an-danitra ny seza fiandrianan’i Jehovah.+ Ny masony mijery, ny masony mandinika ny zanak’olombelona.+  5  Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy;+Mankahala an’izay tia herisetra izy.*+  6  Handrarahany fandrika* ny ratsy fanahy;Afo sy solifara+ ary rivotra mahamay no ho anjaran’izy ireo.*  7  Fa manao ny rariny i Jehovah,+ ary tia ny rariny izy.+ Ny olona manao izay mahitsy no hahita ny tarehiny.*+

Fanamarihana

Na: “mamoritra.”
Na: “fototry ny rariny.”
Na: “ny maha izy azy.”
Na mety hoe “vainafo.”
Abt: “anjara kaopin’izy ireo.”
Na: “hahazo sitraka aminy.”