Salamo 30:1-12

  • Fisaonana lasa fifaliana

    • Mandritra ny androm-piainana ny fankasitrahan’i Jehovah (5)

Salamo. Hira natao tamin’ny fitokanana ny trano. Nataon’i Davida. 30  Hanandratra anao aho, Jehovah ô, fa nisintona ahy hiakatra ianao;Tsy navelanao hifaly amin’ny fahavoazako ny fahavaloko.+  2  Jehovah Andriamanitro ô, niantso vonjy taminao aho ka nositraninao.+  3  Jehovah ô, nosintoninao niakatra avy tany amin’ny Fasana* aho.+ Tsy navelanao ho faty aho; tsy navelanao hilentika tany anaty lavaka* aho.+  4  Manaova hira fiderana* ho an’i Jehovah, ry olona tsy mivadika aminy!+Isaory ny anarany masina;*+  5  Vetivety ihany mantsy izy no tezitra,+Fa mandritra ny androm-piainana kosa izy no mankasitraka.+ Mety ho tonga ny fitomaniana amin’ny hariva, fa misy fihobiana kosa rehefa maraina.+  6  Hoy aho tamin’ny mbola nilamina ny fiainako: “Tsy ho azo hozongozonina* mihitsy aho.”  7  Jehovah ô, nataonao mafy orina toy ny tendrombohitra aho, tamin’izaho mbola nankasitrahanao.+ Rehefa nihodina tsy nijery ahy* anefa ianao, dia nihorohoro aho.+  8  Ianao foana no nantsoiko, Jehovah ô!+I Jehovah foana no nitalahoako famindram-po.  9  Inona moa no soa azo raha maty aho* ka midina any an-davaka?*+ Ny vovoka angaha hidera anao,+ na hilaza momba ny tsy fivadihanao?+ 10  Mihainoa, Jehovah ô, ary iantrao aho.+ Jehovah ô, ampio aho.+ 11  Novanao ho fandihizana ny fisaonako;Nesorinao ny akanjo gony nanaovako, dia nampitafianao fifaliana aho, 12  Mba hahafahako* hihira fiderana ho anao, fa tsy hangina fotsiny. Jehovah Andriamanitro ô, hidera anao mandrakizay aho.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “am-pasana.”
Na: “Mitendre mozika.”
Abt: “fahatsiarovana ny fahamasinany.”
Na: “Tsy hivembena.”
Abt: “nanafina ny tarehinao.”
Na: “azo amin’ny rako.”
Na: “am-pasana?”
Na: “hahafahan’ny voninahitro.”