Salamo 42:1-11
Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’ny taranak’i Kora.+
42 Toy ny serfa mitady mafy renirano,Dia mba mitady mafy anao koa aho, Andriamanitra ô!
2 Mangetaheta mafy an’Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona.+
Mba rahoviana re aho no hiseho eo anatrehan’Andriamanitra e?+
3 Ny ranomasoko no sakafoko na andro na alina;Maneso ahy tontolo andro ny olona hoe: “Aiza ny Andriamanitrao?”+
4 Mahatsiaro ny lasa aho, ka avoakako daholo ny ato am-poko.*Niara-dia tamin’ny maro mantsy aho taloha;Fanaoko ny nandeha moramora* teo alohan’ny vahoaka, nankany an-tranon’Andriamanitra.Nihorakoraka sy falifaly ary nisaotra an’Andriamanitra izahay.Vahoaka be nanao fety+ izahay, tamin’izany.
5 Nahoana re aho no dia mamoy fo e?+
Nahoana aho no mikorontan-tsaina?
Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe+ nanavotra ahy.
6 Andriamanitra ô, mamoy fo aho.+
Izany no mahatonga ahy hahatsiaro anao,+Atỳ amin’ny tanin’i Jordana sy ny tampon’i Hermona,Atỳ amin’ny Tendrombohitra Mizara.*
7 Ny rano lalina miantso ny rano lalina,Rehefa maheno ny feon’ny riandranonao.
Manafotra ahy daholo ny onjanao mahery.+
8 Amin’ny antoandro, dia hasehon’i Jehovah hoe tia ahy sy tsy mivadika amiko izy,Ary amin’ny alina, dia hihira momba azy aho—hivavaka amin’ilay Andriamanitra nanome aina ahy.+
9 Hoy aho amin’Andriamanitra, ilay harambatoko:
“Nahoana ianao no manadino ahy?+
Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin’alahelo noho izaho ampijalin’ny fahavaloko?”+
10 Maneso ahy ny fahavaloko, ka mankahala ahy sy mifofo ny aiko;*Maneso ahy tontolo andro izy ireo hoe: “Aiza ny Andriamanitrao?”+
11 Nahoana re aho no dia mamoy fo e?
Nahoana aho no mikorontan-tsaina?
Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro.+
Fanamarihana
^ Abt: “ararako ny aiko.”
^ Na: “tamim-pahamendrehana.”
^ Na: “amin’ilay tendrombohitra kely.”
^ Na mety hoe “ka toy ny hoe manorotoro ny taolako.”