Salamo 45:1-17
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy.” Maskila* nataon’ny taranak’i Kora.+ Hiram-pitiavana.
45 Mientanentana be ny foko noho ny vaovao mahafinaritra henoko.
Hoy aho: “Momba ny mpanjaka ny hira ataoko.”*+
Enga anie ny lelako ho toy ny penina+ eny an-tanan’ny mpanao dika soratra* tena mahay!+
2 Ianao no tsara tarehy indrindra amin’ny zanak’olombelona,
Ary mahafinaritra erỳ ny teny avy amin’ny molotrao!+
Izany no antony itahian’Andriamanitra anao mandrakizay.+
3 Ataovy eo amin’ny andilanao ny sabatrao,+ ry ilay mahery ô!+Misikìna haja amam-boninahitra.+
4 Asehoy hoe be voninahitra ianao, ary mandrosoa mba handresy!*+Taingeno ny soavalinao ary miadia mba hisian’ny fahamarinana+ sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana,Ary ny tananao ankavanana hahavita* zavatra mahagaga.
5 Firenena maro no lavo eo anatrehanao, satria maranitra ny zana-tsipìkanao;+Mitsatoka eo amin’ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka ireny.+
6 Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay;+Ny tehin’ny fanjakanao dia tehina mampanjaka ny rariny.*+
7 Tianao ny fahamarinana,+ fa halanao kosa ny faharatsiana.+
Izany no nahatonga an’Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, hanosotra anao+ menaka mahafalifaly+ mihoatra noho ireo namanao.
8 Manitra miora sy aloesy ary kasia ny akanjonao rehetra;Mampifaly anao ny feon’ny zavamaneno* avy ao amin’ny lapa mirenty voaravaka ivoara.
9 Anisan’ny vehivavy ao an-dapanao ny zanakavavin’ireo mpanjaka.
Mijoro eo ankavananao ny vadin’ny mpanjaka,* sady miravaka volamena avy any Ofira.+
10 Henoy tsara, ry zanakavavy ô, ka aoka ianao hanongilan-tsofina;Hadinoy ny firenenao sy ny ankohonan-drainao.
11 Tsy ho andrin’ny mpanjaka ny hahita ny hatsaran-tarehinao,Fa izy no tomponao,Koa miondreha eo anatrehany.
12 Ho tonga ny zanakavavin’i Tyro sady hitondra fanomezana;Hila sitraka aminao* ireo lehilahy mpanankarena indrindra.
13 Tena be voninahitra ilay zanakavavin’ny mpanjaka, ao an-dapa.Voaravaka volamena ny akanjony.
14 Hoentina eo amin’ny mpanjaka izy ka hanao akanjo tsara tenona.*
Entina eo anatrehanao ireo virjiny namany manotrona azy.
15 Ao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana no hitondrana azy ireo;Hiditra ao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo.
16 Hisolo toerana an’ireo razambenao ny zanakao.
Hotendrenao ho andriana manerana ny tany izy ireo.+
17 Hampahafantatra ny anaranao amin’ny taranaka fara aman-dimby aho,+
Ka hidera anao mandrakizay mandrakizay ireo firenena.
Fanamarihana
^ Abt: “ny asako.”
^ Na: “mpanora-dalàna.”
^ Abt: “hampianatra anao.”
^ Na: “hahomby.”
^ Na: “tehin’ny fahitsiana.”
^ Na: “zavamaneno fitendry.”
^ Na: “mpanjakavavy.”
^ Abt: “Hampitony ny tarehinao.”
^ Na mety hoe “akanjo lava misy peta-kofehy.”