Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanambadiana

Fanambadiana

Iza no namorona ny fanambadiana?

Olona hoatran’ny ahoana no tokony hofidin’ny Kristianina ho vadiny?

Nahoana tsy tokony heken’ny tena Kristianina ny hanambadian’ny zanany vita batisa olona tsy manompo an’i Jehovah sady mbola tsy nanokan-tena sy tsy vita batisa?

1Ko 7:39; 2Ko 6:14, 15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 24:1-4, 7​—Nanapa-kevitra i Abrahama tamin’izy efa antitra hoe hitady vady ho an’i Isaka zanany avy tamin’ny olona nanompo an’i Jehovah, fa tsy avy tamin’ny Kananita nanompo andriamani-kafa

    • Ge 28:1-4​—Notenenin’i Isaka i Jakoba mba tsy haka vady avy tamin’ny Kananita, fa hitady vady manompo an’i Jehovah

Inona no tsapan’i Jehovah raha manambady olona tsy manompo azy ny mpanompony?

De 7:3, 4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 11:1-6, 9-11​—Tezitra be tamin’i Solomona Mpanjaka i Jehovah noho izy tsy nankatò ny lalàn’i Jehovah ka nanambady vehivavy hafa firenena, ary namela an’ireny vadiny ireny hitarika azy hanompo andriamani-kafa

    • Ne 13:23-27​—Tezitra be hoatran’i Jehovah koa i Nehemia Governora rehefa nanambady vehivavy tsy nanompo an’i Jehovah ny Israelita. Nofaizin’i Nehemia sy noteneniny mafy àry izy ireo

Nahoana no fahendrena ny manambady olona izay manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy ary tsara laza?

Oh 18:22; 31:10, 28

Jereo koa ny Ef 5:28-31, 33

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 25:2, 3, 14-17​—Lehilahy nanankarena i Nabala, nefa nasiaka sady ratsy toetra ka hita hoe tsy vady tsara

    • Oh 21:9​—Raha tsy mahay mifidy vady isika, dia tsy ho sambatra ary tsy hilamina ny tokantranontsika

    • Ro 7:2​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe lasa eo ambany fahefan’ny vadiny tsy lavorary ny vehivavy iray rehefa manambady. Mila mandinika tsara àry aloha izy alohan’ny hanekeny an’izay mangataka azy ho vady

Fiomanana ho amin’ny fanambadiana

Nahoana ny lehilahy iray no tokony ho efa vonona hamelona ankohonana vao mieritreritra ny hanambady?

1Ti 5:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 24:27​—Raha mbola tsy manambady sy tsy manan-janaka ny lehilahy iray no efa tokony hiasa mafy mba ho vonona hamelona ankohonana

Nahoana ny olon-droa mampiaraka no tokony hangataka torohevitra amin’ny olona matotra ary hiezaka hifankahalala tsara fa tsy hifantoka amin’ny bika aman’endrika fotsiny?

Oh 13:10; 1Pe 3:3-6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Rt 2:4-7, 10-12​—Lasa nahafantatra ny toetran’i Rota i Boaza rehefa nandinika an’i Rota niasa mafy sy nikarakara an’i Naomy, sy rehefa naheno an’izay noresahin’ny olona azo itokisana momba azy, ary rehefa nahita hoe tena tia an’i Jehovah izy

    • Rt 2:8, 9, 20​—Lasa nahafantatra ny toetran’i Boaza i Rota rehefa nandinika azy, dia nahita hoe tsara fanahy izy ary nalala-tanana sy tia an’i Jehovah

Nahoana no tian’i Jehovah hadio fitondran-tena ny olon-droa mandritra ny fiarahany alohan’ny fanambadiana?

Ga 5:19; Kl 3:5; 1Te 4:4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 5:18, 19​—Misy fomba fanehoana fitiavana tsy tokony hataon’ny olon-droa mifankatia raha tsy rehefa mpivady ry zareo

    • To 1:2; 2:6​—Nifaneho fitiavana ilay mpiandry ondry sy ilay ankizivavy solemita nefa nadio fitondran-tena foana, nandritra ny fiarahany talohan’ny fanambadiana

    • To 4:12; 8:8-10​—Nifehy tena foana ilay ankizivavy solemita, ka noharina tamin’ny zaridaina mihidy

Nahoana no tokony hivady ara-dalàna ny olon-droa te hanorina tokantrano?

Ny andraikitry ny lehilahy manambady

Inona no takin’i Jehovah amin’ny lehilahy manambady?

Ny modelin’iza no tokony harahin’ny lehilahy kristianina manambady?

Nahoana no tokony hasehon’ny lehilahy amin’ny vadiny hoe tiany izy? Nahoana koa no tokony ho azony tsara hoe inona no tsapan’ilay vadiny ary hoe inona no ilainy?

Kl 3:19; 1Pe 3:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 21:8-12​—Nasain’i Jehovah nihaino an’i Saraha vadiny i Abrahama, na dia tsy tian’i Abrahama aza ny soso-kevitra nomen’i Saraha

    • Oh 31:10, 11, 16, 28​—Tsy mifehifehy ny vadiny na manakiana azy ny lehilahy hendry nahazo vady tsara. Matoky an’ilay vadiny kosa izy ary midera azy

    • Ef 5:33​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe zavatra ilain’ny vehivavy ny mahatsapa hoe tia azy ny vadiny

Ny andraikitry ny vehivavy manambady

Inona no andraikitra lehibe ankinin’i Jehovah amin’ny vehivavy manambady?

Manambany ny vehivavy ve ny andraikitra nomen’i Jehovah azy?

Ge 1:26-28, 31; 2:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 1:8; 1Ko 7:4​—Nomen’Andriamanitra fahefana mba hanao zavatra sasany eo anivon’ny tokantranony ny vehivavy manambady sy manan-janaka

    • 1Ko 11:3​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe mila manaiky fahefana daholo ny rehetra, afa-tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ihany

    • He 13:7, 17​—Samy mila miara-miasa amin’ireo voatendry hitarika sy mankatò azy ireo, na ny lehilahy na ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana

Raha tsy manompo an’i Jehovah ny vadin’ny vehivavy kristianina iray, inona no tokony hataony mba hampifaliana an’i Jehovah?

Nahoana ny vehivavy kristianina no tokony hanaja ny vadiny?

Ef 5:33

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 18:12; 1Pe 3:5, 6​—Nanaja lalina an’i Abrahama i Saraha ka nihevitra azy hoe ‘tompony’

Vehivavy manambady hoatran’ny ahoana no nahazo teny fiderana ao amin’ny Baiboly?

Oh 19:14; 31:10, 13-31

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 24:62-67​—Nanampy an’i Isaka hahazo fampiononana i Rebeka, rehefa maty ny renin’i Isaka

    • 1Sa 25:14-24, 32-38​—Nanetry tena i Abigaila ka nitalaho tamin’i Davida mba hamindra fo, ka niaro an’ilay vadiny tsy nisaina izy sady namonjy ny ankohonany

    • Es 4:6-17; 5:1-8; 7:1-6; 8:3-6​—Nanao vivery ny ainy i Estera vadin’ny mpanjaka rehefa nankao ao amin’ny vadiny indroa nefa tsy nantsoina akory, mba hiangavy azy hiaro ny vahoakan’Andriamanitra

Famahana olana

Inona ny torolalana afaka manampy ny mpivady hamaha olana ao an-tokantranony?

Inona ny torolalana afaka manampy ny mpivady hahay hanapa-kevitra amin’ny resaka vola?

Inona ny torolalana afaka manampy ny mpivady hiray saina rehefa mifandray amin’ny havan’ny lahy sy ny havan’ny vavy?

Inona ny torolalana afaka manampy ny mpivady amin’ny resaka firaisana?

Nahoana no zava-dehibe ny mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny vadinao toy izay amin’ny toetra ratsiny?

Nahoana no tsara kokoa raha alamina haingana amim-pitiavana ny olana, toy izay hoe ho tezitra foana na hitana lolompo?

Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanapoaka fahatezerana, hilelalela, hanevateva, hikasi-tanana na hanao zavatra hoatr’izany mihitsy?

Rehefa tsy mitovy hevitra ny mpivady, inona no tokony ho tanjon’izy roa?

Inona ny fitahiana ho azon’ny mpivady raha samy mifandray tsara amin’i Jehovah izy roa?

Fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisana sy ny fanambadiana?

Azon’ny Kristianina atao ve ny manambady maro?

Ahoana no ahafantarana hoe lehilahy iray sy vehivavy iray no tokony hivady?

Nahoana no tsy tokony hisaraka ny mpivady?

Inona ihany ny antony araka ny Soratra Masina ahafahana misara-panambadiana?

Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina?

Mbola afaka manambady indray ve ny lehilahy na ny vehivavy maty vady?