Indonezia
HO HITANAO ato ny tantaran’ireo Kristianina tsy nivadika, na teo aza ny korontana ara-politika, ady ara-pivavahana, ary fandrarana naharitra 25 taona. Anisan’izany ny tantaran’ny rahalahy iray, izay saika hovonoin’ny Kominista. Eo koa ny tantaran’ny lehilahy iray lehiben’ny jiolahy, nefa lasa rahalahy matotra. Nisy indray tovovavy marenina roa lasa mpinamana, ary nahafantatra tatỳ aoriana hoe mpiray tam-po. Ho fantatrao ato koa hoe ahoana no ahavitan’ny vahoakan’i Jehovah mitory ny vaovao tsara eto Indonezia, na dia eto aza no be Silamo indrindra eran-tany.
ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY
Indray Mitopy Maso An’i Indonezia
Jereo ato ny fanazavana fohifohy momba an’ilay tany, ny mponina, ary ny fomba amam-panao ao amin’io vondronosy lehibe indrindra eran-tany io.
Fivarotana Zava-manitra
Nampandroso ny toe-karena eran-tany ny fivarotana zava-manitra tamin’ny taona 1500 tany ho any.
“Eto no Tiako Hanombohana Azy”
Nandresy zava-tsarotra maro ireo mpisava lalana be herim-po avy any Aostralia rehefa nanokatra ny asa fitoriana.
Fomba Fitory Taloha
Nahatezitra an’ireo fahavalon’ny fahamarinana tany Indonezia ny fitoriana tamin’ny alalan’ny radio sy ny sambo.
Ny Bibelkring
Avy tao amin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampianaran’io antokom-pivavahana io, nefa lasa nampianatra hevitr’olona izy io tatỳ aoriana.
Sarobidy Taminy ny Harena Ara-panahy
Nijery fotsiny i Thio Seng Bie rehefa nanafika ny tranony ny mpirotaka. Nisy zavatra navelan’izy ireo anefa, ary sarobidy taminy noho ny fananana nafoiny izy io.
Namokatra ny Fitoriana Teto Java Andrefana
Voarara tsikelikely ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah nefa nahita hevitra hitoriana foana izy ireo.
Nofehezin’ny Japoney
Nampanao fisoratana anarana ny mpitondra japoney, nandritra ny Ady Lehibe II. Nankatò an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah sasany nefa koa tsy nivadika.
Mpisava Lalana Be Herim-po
Nanompo an’i Jehovah nandritra ny 60 taona i André Elias, ary tsy nivadika mihitsy na dia nalaina am-bavany sy norahonana aza.
Tonga ny Misioneran’i Gileada
Nampandroso haingana ny fitoriana ireo misioneran’i Gileada voalohany tonga teto.
Nitatra Niantsinanana ny Asa
Hahomby ve ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana amin’
Nihamaro ny Misionera Tonga
Voasakantsakana ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny 1975 tany ho any.
Tena Zanak’i Saraha Izy
Tian’i Titi Koetin ny nanaiky ny vadiny ka nahazo valisoa lehibe izy.
Fivoriambe Niavaka
Vita ihany ilay fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, tamin’ny 1963, na dia betsaka aza ny vato misakana.
Tsy Maty Tamin’ny Fikomian’ny Kominista Aho
Efa voaomana ny toerana handevenana an’i Ronald Jacka.
Mpisava Lalana Manokana Nandritra ny 50 Taona
Nilaza ny mpitondra fivavahana protestanta iray tany Manokwari, tamin’ny 1964, hoe: “Hataoko tsisy Vavolombelon’i Jehovah intsony Manokwari.” Vitany ve izany?
Lehiben’ny Jiolahy Nefa Lasa Olom-banona
Nanontany ny Lehiben’ny Sampam-pitsikilovana hoe: “Inona no tena ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Indonezia?”
Tapa-kevitra ny Hanohy ny Asa
Nahoana ny olona sasany no nilaza hoe: “Hoatran’ny fantsika ny Vavolombelon’i Jehovah”?
Niara-nivory Foana Izy Ireo
Hoatran’ny hafahafa ny tenin’ny manam-pahefana iray rehefa nesorina ny fandrarana. Hoy izy: “Tsy hoe manome anareo fahalalahana ara-pivavahana ity taratasy ity.”
Miharihary ny Fitiavana Kristianina Rehefa Misy Loza
Nanampy avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nandravarava an’i Gunungsitoli ny horohoron-tany.
Tsy Nanaiky Lembenana Mihitsy Izahay
Mitantara ny fomba nampijalian’ny mpiambina fonja azy i Daniel Lokollo.
Avotra Izahay fa Nankatò
Notandindomin-doza ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny ady nifanaovan’ny Silamo sy ny Kristianina.
Nandroso ny Asa
Nisy fandaharana telo nalamina tany raha vao nesorina ny fandrarana, ka nandray soa ireo rahalahy.
Tsy Menatra Mitory ny Anaran’i Jehovah
Tsy sahy nitory ireo Vavolombelona noho ny fahazarana efa raiki-tampisaka sy ny kolontsainy. Inona no nanampy azy ireo?
Biraon’ny Sampana eny ana Habakabaka
Afa-po ireo mpanitatra faritany nitady toerana hitoriana.
Nitahy Anay Mihoatra Noho ny Noeritreretinay i Jehovah!
Nahazo fitahiana tsy nampoizina ny fiangonana tao Tugala Oyo, any Indonezia.
Tafaraka Ihany Rehefa Ela ny Ela!
Samy marenina izy roa vavy ary mbola kely dia efa tafasaraka, satria nomena hotezain’olona ny iray. Tafahaona indray anefa izy ireo noho ny fahamarinana.