INDONEZIA
Indray Mitopy Maso An’i Indonezia
Ilay tany Eo anelanelan’i Aostralia sy ny kontinantan’i Azia no misy azy io, ary lalovan’ny ekoatera. Io no vondronosy lehibe indrindra eran-tany, satria ahitana nosy 17 500 mahery. Misy tendrombohitra mikitoantoana sy ala mikitroka ny ankamaroan’izy ireo. I Indonezia no faritra be volkano indrindra, satria misy volkano 100 mahery any.
Mponina I Indonezia no firenena fahefatra be mponina indrindra eran-tany (aorian’i Chine sy Inde ary Etazonia). Misy foko 300 mahery any. Avy amin’ny foko javaney sy sunda ny antsasany mahery amin’ny Indonezianina.
Fivavahana Silamo ny 90 isan-jaton’ny mponina. Hindoa, na Bodista, na olona milaza azy ho Kristianina ny ambiny. Maro koa no manaraka fivavahana nentim-paharazana.
Fiteny Misy 700 mahery ny fiteny any. Ny teny indonezianina, avy amin’ny teny malezianina, no fiteny ofisialy. Mampiasa fitenim-paritra koa ny ankamaroan’ny olona rehefa ao an-trano.
Fivelomana Maro amin’ny mponina any no tantsaha na mpivarotra. Anisan’ny tany manondrana fingotra sy menaka palmie betsaka indrindra i Indonezia. Ananany betsaka koa ny hazo, harena an-kibon’ny tany, solika mbola tsy voadio, ary gazy.
Sakafo Vary no foto-tsakafo. Be mpitia ny nasi goréng (vary endasina sy atody miaraka amin’ny legioma), satay (karazana masikita), ary gado-gado (salady misy saosy voanjo).
Toetany Mafana sy mando. Misy fizaran-taona roa any, dia ny fahavaratra sy ny main-tany. Be oram-baratra koa any.