Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?
Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?
“Anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; ary makà saina amin’ny tany, dia hampianatra anao izy, ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.”—JOBA 12:7, 8.
NIANA-JAVATRA betsaka avy tamin’ny zavamaniry sy ny biby ny mpahay siansa sy ny injeniera, tato ho ato. Mandinika akaiky ny firafitry ny zavaboary isan-karazany izy ireo, ary maka tahaka azy ireny mba hamoronana zava-baovao, na hanatsarana ny zava-bitan’ny fitaovana sasany. Andeha isika hijery zavaboary vitsivitsy. Rehefa mamaky momba azy ireo ianao, dia manontania tena hoe: ‘Iza no tena mendri-piderana noho ny firafitr’izy ireny?’
Inona no azo ianarana avy amin’ny vombon’ny trozona?
Inona no azon’ny mpanao fiaramanidina ianarana avy amin’ny trozona misy trafo? Zavatra maro tokoa. Roa ambin’ny folo metatra ny halavan’io trozona io, ary 30 taonina eo ho eo ny lanjany rehefa lehibe izy. Mitovy amin’ny lanjan’ny kamiao feno entana izany. Somary henjana ny vatan’ilay trozona, ary manana vombo lehibe miendrika elatra izy. Patsa isan-karazany na trondro no sakafony. Tena kinga izy ao anaty rano. Rehefa mahatazana patsa na trondro, ohatra, izy eny amboniny, dia mihodinkodina miakatra eny izy sady mitsoka rivotra manodidina azy ireo. Feno balaonina kely be dia be manodidina ireo trondro noho ilay rivotra, ka toy ny hoe voafefy ao anaty faribolana izy ireo. Iray metatra sy sasany monja ny savaivon’ilay faribolana. Arapak’ilay trozona haingana avy eo ireo sakafo voangony ireo.
Ity no tena nahavariana ny mpikaroka: Ahoana no ahavitan’io biby io mihodinkodina mba hanao izany faribolana kely dia kely izany, nefa henjana be ny vatany? Hitan’izy ireo fa ny bikan’ny vombony no manampy azy. Tsy malama toy ny elatry ny fiaramanidina ny eo aloha amin’ny vombony, fa misy kinifinifiny sy zavatra mivohitra mitandahatra.
Rehefa milomano ilay trozona, dia manampy azy hiakatra haingana sy hahatohitra kokoa ny rano, ireo zavatra mivohitra ireo. Nahoana? Hazavain’ny gazety Tantaran’ny Zavaboary (anglisy), fa mizarazara tsara eny anelanelan’izy ireo ny rano sady mivily. Afaka mitsoriaka àry ilay trozona, na dia rehefa miakatra mahitsy be aza. Raha malamalama kosa ny eo aloha amin’ilay vombony, dia tsy ho afaka hihodinkodina sady hiakatra toy izany izy. Hitambolimbolina be mantsy ny rano, ka ho sahirana izy rehefa miakatra.
Inona no soa mety ho azo avy amin’izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany? Raha hampitovina amin’ny vombon’io trozona io ny elatry ny fiaramanidina, dia azo inoana fa ho vitsy kokoa ny fitaovana ilaina hapetraka ao aminy, mba hanovaovana ny fandehan’ny rivotra. Ho azo antoka kokoa sy ho mora kojakojaina kokoa ny elatra toy izany. Mino ilay manam-pahaizana momba ny fiasan’ny vatana, atao hoe John Long, fa tsy ho ela dia “mety hisy zavatra mivohitra toy ny hita eo amin’ny vombon’ny trozona misy trafo, eo amin’ny elatry ny fiaramanidina lehibe rehetra.”
Alaina tahaka ny elatry ny varevaka (voron-dranomasina)
Marina fa efa nalaina tahaka avy amin’ny elatry ny vorona, ny elatry ny fiaramanidina. Nohatsarain’ny injeniera anefa izany tato ho ato. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy): ‘Nisy fiaramanidina modely vaovao namboarin’ny mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Floride. Mahay mijanona eny amin’ny habakabaka sady mahay midina sy miakatra haingana toy ny varevaka izy io, ary tsy mila mpanamory fa baikoina avy lavitra. Antsasa-metatra mahery ny halavany.’
Rehefa eny amin’ny habakabaka ny varevaka, dia ampakariny ny elany roa ary ataony somary miforitra ny eo afovoany, ka izany no ahavitany fihetsika mahavariana. Natao mora miforitra toy izany koa ny elatr’ilay fiaramanidina, hoy ihany ilay gazety etsy aloha. ‘Vy maromaro baikoin’ny maotera kely iray no manetsika ireo elatra.’ Tena ary fomba ny elatr’ilay fiaramanidina kely, ka mahavita mijanona eny anelanelan’ireny trano avo be ireny izy io, ary mahay midina sy miakatra haingana. Tsy andrin’ny tafika amerikanina izay hahavitana fiaramanidina tena mora entina toy izany, mba hitadiavana fitaovam-piadiana simika na misy otrikaretina, any an-tanàn-dehibe.
Ny tongotry ny katsatsaka
Miana-javatra maro avy amin’ny biby an-tanety koa ny olona. Mahay mandady amin’ny rindrina sy mijanona eny amin’ny valindrihana, ohatra, ilay androngo kely atao hoe katsatsaka na antsiantsy. Efa tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly no nalaza io biby io, noho izany fahaizany mahavariana izany. (Ohabolana 30:28) Nahoana no tsy mianjera mihitsy ny katsatsaka rehefa mandeha eny amin’ny valindrihana, na dia eo aza ny sinton’ny tany?
Feno volo madinika kely ao amin’ny faladiany, ka izany no mahatonga azy ho afaka hifikitra na dia amin-javatra malama be toy ny fitaratra aza. Tsy mamoaka dity akory ny faladiany. Misy hery kely dia kely atao hoe herin’i van der Waals kosa, manampy ny faladiany hiraikitra amin’ny rindrina na amin-javatra hafa. Mora resin’ny sinton’ny tany io hery io, ka izany no mahatonga ny olona tsy ho afaka hianika rindrina amin’ny tanany fotsiny. Tsy milatsaka kosa anefa ny katsatsaka, satria vao mainka mampitombo an’io hery io ireo volo madinika kely an’arivony mameno ny faladiany. Izy koa moa maivana rahateo.
Inona no soa mety ho azo avy amin’izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany? Mety ho azo alaina tahaka ireo volo amin’ny tongotry ny katsatsaka, mba hanamboarana zavatra mitovy amin’ilay hidin-javatra mifampiraikitra, atao hoe Velcro. Nalaina tahaka tamin’ny zavaboary koa izy io. * Resahin’ny gazety Toe-karena (anglisy) fa nisy mpikaroka nilaza hoe tena mety hahasoa amin’ny fitsaboana, ny ‘lamba famonosana ratra nalaina tahaka avy amin’ireo volo ireo.’ Indrindra moa rehefa “tsy afaka mampiasa lamba na zavatra madity hafa famonosana ratra ny dokotera.”
Iza no mendrika hoderaina?
Manamboatra milina manana tongotra valo afaka mandehandeha toy ny maingoka koa izao ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso (NASA). Efa nahavita karazana traktera manan-tongotra enina toy ny bibikely goavam-be koa, ny injeniera any Failandy. Mahay mandingana zavatra avo be izy io. Ny mpikaroka hafa kosa mieritreritra ny hamorona ravin-damba misy varavarankely bitika, izay afaka misokatra sy mikatona toy ny voan’ny hazo kesika. Misy koa mpanao fiarakodia manamboatra fiara nalaina tahaka avy amina karazana trondro misosa haingana rehefa milomano. Efa eo am-pandinihana ny antony mahatonga ny karazana akorandriaka sasany tsy ho mora vaky koa izao ny mpikaroka hafa, mba hanamboarana akanjo tsy laitram-bala maharo kokoa sy maivana kokoa.
Nahita hevitra tsara an’arivony ny mpikaroka, noho ny fandinihany ny firafitry ny zavaboary. Ataon’izy ireo lisitra àry izany, ary tahiriziny ao anaty ordinatera. Afaka mijery ao ny mpahay siansa rehefa “sahiran-tsaina amin’ny zavatra amboariny, ka mitady vahaolana”, hoy ihany ny gazety Toe-karena. Antsoina hoe “zon’ny zavaboary” ny hevitra ao amin’io lisitra io. Toy ny hoe olona na orinasa nahita hevi-baovao na namorona fitaovana vaovao mantsy ny zavaboary, ka manana zo ara-dalàna ho tompon’izany. Nilaza àry ny gazety Toe-karena, fa tena mety ny niantsoan’ny mpikaroka an’ireo hevitra mahavariana azo avy amin’ny zavaboary ireo hoe “zon’ny zavaboary.”
Avy taiza ireny hevitra mahavariana rehetra azo avy amin’ny zavaboary ireny? Maro ny mpikaroka milaza fa ny evolisiona no nampisy ny zavaboary. Ny atao hoe evolisiona dia fiovana miandalana teo amin’ny zavatra tsy mananaina nandritra ny an-tapitrisany taona, ka nahatonga azy ho zavamananaina. Tsy mitovy hevitra amin’izany kosa ny mpikaroka hafa. Hoy ilay manam-pahaizana momba ny zavamiaina bitika, atao hoe Michael Behe, tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 2005: ‘Tsy maintsy manaiky isika fa nisy nanao ny trano vaovao iray, rehefa tsy mahita porofo hanoherana izany isika. Toy izany koa fa tsy maintsy manaiky isika hoe nisy nanao izao rehetra izao, satria maro ny porofo ahitana fa noeritreretina tsara mialoha ny fomba namoronana azy io, ary tsy misy porofo azo anoherana izany.’ Hoy àry i Behe: “Raha efa miharihary fa nisy namorona ny zavatra iray, dia tsy tokony hodian-tsy hita izany.”
Marina aloha fa mendri-piderana ny injeniera mamorona elatra fiaramanidina tsara kokoa sy azo antoka kokoa. Toy izany koa ny olona mamorona lamba na zavatra hafa azo amonosana ratra isan-karazany, na ravin-damba mety kokoa amin’izay ilana azy, na fiara tsara kokoa. Azo lazaina hoe mpangalatra anefa izay maka tahaka ny zavatra noforonin’olon-kafa, nefa tsy manome voninahitra an’ilay olona, na tsy manaiky fa misy izy.
Maka tahaka izay zavatra hitany eo amin’ny zavaboary ny mpikaroka tena mahay, rehefa sahirana amin’ny zavatra amboariny. Milaza anefa ny sasany amin’izy ireo hoe tsy nisy mpamorona tena mahira-tsaina nanao ny zavaboary, fa ny evolisiona no nampisy azy. Eken’ny sainao ve izany fampianarana izany? Raha ireny zavatra nalain-tahaka avy tamin’ny zavaboary ireny aza nila manam-pahaizana be vao nahavita azy, mainka
moa fa ny zavaboary? Iza no tokony homem-boninahitra kokoa: ny mpamoron-javatra faran’izay mahay, sa ny olona miezaka maka tahaka ny zava-bitany?Fanatsoahan-kevitra mety
Maro ny olona nandinika tsara raha nisy namorona tokoa izao rehetra izao na tsia, ka nanjary niray hevitra tamin’ny mpanao salamo. Hoy izy: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24) Mitovy hevitra amin’izany koa i Paoly, mpanoratra Baiboly. Hoy izy: ‘Fa ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’—Romanina 1:19, 20.
Milaza anefa ny olona tso-po maro manaja ny Baiboly sy mino an’Andriamanitra, fa mety ho Andriamanitra no nanao ny evolisiona, mba hamoronana izao rehetra izao mahatalanjona. Izany ve no ampianarin’ny Baiboly?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 15 Nalaina tahaka avy tamina karazana tsipolitra ny Velcro.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Avy taiza ireny hevitra mahavariana rehetra azo avy amin’ny zavaboary ireny?
[Teny notsongaina, pejy 6]
Iza no manan-jo hoderaina noho ny firafitry ny zavaboary?
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Raha ny zavatra nalain-tahaka avy tamin’ny zavaboary aza nila manam-pahaizana be vao nahavita azy, mainka moa fa ny zavaboary?
Nalaina tahaka avy tamin’ny elatry ny varevaka ity fiaramanidina tena mora entina ity
Manandrana maka tahaka ny tongotry ny katsatsaka ny mpikaroka. Tsy mety maloto na mamela diany mantsy izy io, mahavita mifikitra amin-javatra rehetra ankoatra ny “Téflon” (zavatra simika tsy mampiraikitra), ary mora miraikitra sy mora miala
Fiara mandeha haingana. Ilay trondro eo ambony no nalaina tahaka
[Sary nahazoan-dalana]
Fiaramanidina: Kristen Bartlett/University of Florida; tongotra katsatsaka: Breck P. Kent; trondro sy fiara: Mercedes-Benz USA
[Efajoro/Sary, pejy 8]
MANANA FAHENDRENA VOAJANAHARY
Manana ‘fahendrena’ voajanahary ny biby maro, ka mahita ny lalana tokony halehany. (Ohabolana 30:24, 25) Diniho, ohatra, ireto biby roa ireto.
▪ Nahoana no tsy diso lalana ny vitsika? Ahoana no ahitan’ny vitsika ny lalana mody rehefa avy mitady sakafo izy? Hitan’ny mpikaroka tany Royaume-Uni fa mamela zavatra simika misy fofona eny amin’ny lalany, ny vitsika sasany. Tsy izay ihany fa manamboatra lalana mora hitany koa izy. Resahin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao, ohatra, fa rehefa manamboatra lalana ny vitsika mavo, dia ataony misampana roa ilay izy, ka fohy kokoa ny iray. Inona no tena mampiavaka an’ilay lalana? Rehefa hody ilay vitsika, ka tonga eo amin’ilay sampanan-dalana, dia manaraka ho azy an’ilay lalana fohy kokoa izy, ary tsy maintsy tonga any an-tranony iny lalana iny. “Manamora ny fivezivezen’ny vitsika amin’ireo lalana maro be mifampidimpiditra, ny fomba nizarany an’ireo lalana”, hoy ihany ilay gazety, “indrindra raha mandroso ny vitsika sasany fa ny hafa kosa miverina. Tsy vizana koa izy ireo, satria tsy diso lalana.”
▪ Manana tondroavaratra ve ny vorona? Mahalala tsara ny toerana tokony halehany ny vorona maro mpifindra monina, na lavitra toy inona aza izany, ary na tsara na ratsy ny andro. Nahoana? Hitan’ny mpikaroka fa toy ny hoe misy tondroavaratra ao anatiny, ka fantany ny avaratra. Resahin’ny gazety Siansa (anglisy) anefa fa tsy tena manondro ny avaratra ny tondroavaratra, any amin’ny toerana sasany. Nahoana àry ny vorona mpifindra monina no tsy diso lalana? Toa mijery ny masoandro mody izy ireo isan-kariva, ka ahitsiny hifanaraka tsara amin’izany ilay tondroavaratra ao anatiny. Resahin’ny gazety Siansa koa anefa fa miovaova ny toerana ilentehan’ny masoandro, arakaraka ny tany sy ny fizaran-taona. Mihevitra àry ny mpikaroka fa tsy maintsy misy fomba voajanahary ahalalan’ny vorona ny fizaran-taona.
Iza no nampianatra ny vitsika hahay hizara lalana? Iza no nanome tondroavaratra ny vorona, sy atidoha ahalalany ny fizaran-taona? Vokatry ny evolisiona fotsiny ve izany? Sa nisy Mpamorona mahira-tsaina nanao azy?
[[Sary nahazoan-dalana]]
© E.J.H. Robinson 2004