Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?

Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?

Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?

TSY te hiresaka be momba ny fametavetana ankizy ny ankamaroantsika. Mihoron-koditra ny ray aman-dreny raha vao mieritreritra an’izany fotsiny! Tena misy anefa izany zavatra mahatsiravina sy maharikoriko izany, ary ratsy be ny vokany eo amin’ny ankizy. Tokony handinika momba izany àry ve isika? Koa maninona moa, raha izany no hahafahanao hiaro ny zanakao? Tsy ho sarotra loatra angamba izany. Hanampy anao hiaro ny zanakao ny fahalalana azonao avy amin’izany.

Aza atao mahakivy anao ny habetsahan’ny fametavetana ankizy. Tadidio fa manana toetra sy fahaizana mbola tsy ananan’ny zanakao ianao. Anisan’izany ny fahalalana sy traikefa ary ny fahendrena, izay azonao tao anatin’ny taona maro. Mbola ho ela ny zanakao vao hanana izany. Ny tena ilainao àry dia ny mampitombo sy manatsara an’ireo toetra sy fahaizana anananao ireo, ary mampiasa izany mba hiarovanao ny zanakao. Hiresaka lafin-javatra telo tokony hataon’ny ray aman-dreny isika. Ireto avy izany: 1) Ianao no tokony hanao zavatra voalohany mba hiarovana ny zanakao, 2) ampianaro izy, ary 3) atoroy azy ny fomba hiarovany ny tenany.

Ianao no tokony hanao zavatra voalohany

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny zanany amin’ny fametavetana. Izy ireo àry aloha no tokony hampianarina, izay vao ny ankizy. Raha ray ianao na reny, dia misy zavatra vitsivitsy tokony ho fantatrao momba ny fametavetana ankizy. Tokony ho fantatrao hoe iza no mety hametaveta ankizy, ary ahoana no anaovany izany. Matetika ny ray aman-dreny no mihevitra fa olon-tsy fantatra no maka an-keriny sy manolana ankizy. Misy tokoa ny olon-tsy fantatra manao izany, araka ny re matetika amin’ny vaovao. Vitsy ihany anefa izy ireny, raha ny zava-misy no jerena. Ny ankamaroan’ireo mpametaveta ankizy mantsy, dia olona efa fantatr’ilay ankizy sady itokisany.

Tsy te hino angamba ianao hoe hahavita hametaveta ny zanakao ny olona iray tsara fanahy, angamba izy mpiara-monina aminareo, na mpampianatra, mpitsabo, na fianakaviana. Tsy manao an’izany ny ankamaroan’ny olona, raha ny marina. Tsy tokony hiahiahy ny olona rehetra mifandray aminao ianao. Afaka miaro ny zanakao anefa ianao, raha mahafantatra ny tetika ampiasain’ireo mpametaveta ankizy.—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 6.

Ho vonona kokoa hiaro ny zanakao ianao, raha mahafantatra ireny tetikadin’ny mpametaveta ankizy ireny. Inona, ohatra, no hataonao raha misy olona hitanao hoe tsy dia tia miaraka amin’ny olon-dehibe, fa ankizy foana no iarahany? Ahoana raha manao zavatra manokana ho an’ny zanakao izy, na manao fanomezana ho azy, na manolo-tena hitaiza azy maimaim-poana, na mitondra azy mitsangantsangana? Tonga dia hieritreritra ve ianao hoe mpametaveta ankizy io olona io? Aza maika hanatsoaka hevitra toy izany. Mety tsy hanana eritreri-dratsy ilay olona. Tokony ho mailo anefa ianao, na izany aza. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.

Mety hanana eritreri-dratsy tokoa ny olona iray matoa tsara fanahy be toy izany. Araho maso tsara izay olona manolo-tena hiaraka irery amin’ny zanakao. Lazao aminy fa hanara-maso ny zanakao foana ianao. Manan-janaka telo lahy i Malala sy Benja, mpivady mbola tanora. Mailo izy ireo rehefa miaraka irery amin’ny olon-dehibe ny zanany. Rehefa nianatra mozika tao an-trano, ohatra, ny zanany iray, dia izao no nolazain’i Malala tamin’ilay ramose: “Mandalondalo matetika eo aho, mandra-pahavitan’ny fianaranareo.” Toa tafahoatra loatra angamba izany, kanefa aleo misoroka toy izay mitsabo.

Araho maso ny zavatra ataon’ny zanakao, anisan’izany ny lesona sy entimodiny. Fantaro ny namana ifaneraserany sy ny tsipiriany rehetra momba ny fitsangantsanganana kasain’izy ireo hatao. ‘Ankizy maro no tsy niharan’ny fametavetana raha mba nanadihady azy ireo kely fotsiny ny ray aman-dreniny’, hoy ny lehilahy iray mpitsabo aretin-tsaina, izay nanao fanadihadiana momba ny fametavetana ankizy nandritra ny 33 taona. Izao, hoy izy, no nolazain’ny lehilahy iray voaheloka noho ny fametavetana ankizy: “Toy ny hoe omen’ny ray aman-dreny anay ny zanany. ... Tena tsy sarotra tamiko ny nametaveta ny zanany.” Tadidio fa ny ankizy tsy voara-maso no tena lasibatra. Raha mazoto manara-maso ny zanany àry ny ray aman-dreny, dia tsy ho mora lasibatry ny mpametaveta ankizy ny zanany.

Ho afaka hiaro ny zanakao koa ianao raha mihaino azy tsara. Mahalana ny ankizy vao milaza hoe nisy nametaveta. Menatra mantsy izy, ary matahotra hoe inona no hataon’ny hafa raha mandre izany. Henoy tsara àry ny zanakao, na dia miolakolaka aza ny teniny. * Raha milaza zavatra mampanahy anao izy, dia anontanio azy moramora izay nitranga. Raha milaza izy fa tsy tiany hitaiza azy intsony ny olona iray, dia anontanio azy ny antony. Raha milaza izy hoe nisy olona niara-nilalao taminy, fa hafahafa ny kilalao nataony, dia anontanio izy hoe: “Inona no kilalao nataonareo? Dia inona koa no nataony?” Raha mitaraina izy hoe nisy olona nanitikitika azy, dia anontanio izy hoe: “Taiza no nokitikitihiny?” Aza hamaivanina ny valin-teniny. Lazain’ny mpametaveta amin’ny ankizy mantsy, fa tsy hino azy ny olona. Mampalahelo fa izany tokoa no mitranga matetika. Raha nisy nametaveta ny ankizy iray, dia tokony hino izay lazainy sy hanohana azy ny ray aman-dreniny. Tena ilaina izany raha tiana hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ilay zaza.

Ampianaro ny zanakao

Izao no nolazain’ny olona iray voaheloka noho ny fametavetana ankizy: “Mora amiko ny mametaveta ankizy tsy mahalala momba ny firaisana.” Fampitandremana ho an’ny ray aman-dreny izany teny mampivarahontsana izany. Mora voafitaky ny mpametaveta, ny ankizy tsy mahalala momba ny firaisana. Milaza ny Baiboly fa ho voaro ‘amin’ny lehilahy miteny fitaka’ isika, raha manana fahalalana sy fahendrena. (Ohabolana 2:10-12) Tianao ho voaro toy izany ve ny zanakao? Aza misalasala àry manazava aminy ny atao hoe firaisana. Izany no lafin-javatra faharoa tokony hataonao mba hiarovana azy.

Ahoana àry no anaovanao izany? Tsy tian’ny ray aman-dreny maro ny miresaka amin’ny zanany momba ny firaisana. Ny ankizy anefa no tena tsy tia miresaka an’izany amin’ny ray aman-dreniny, ka tsy izy mihitsy no hiresaka an’izany voalohany. Ianao àry no tokony hanombo-dresaka. Hoy i Malala: “Mbola kely ny zanakay dia efa nampianarinay ny anaran’ny faritra rehetra amin’ny vatana. Ny tena anaran’ilay izy no lazainay fa tsy amboamboarinay, mba hahitany fa tsy misy zavatra mampihomehy na mahamenatra eo amin’ny vatana.” Mora kokoa ny miresaka momba ny fametavetana, aorian’izay. Maro ny ray aman-dreny milaza amin’ny zanany, fa manana anjara asa manokana ny filahiana sy ny fivaviana ary ny nono, ary tsy azon’iza na iza kitikitihina.

Hoy i Holy, ilay efa voaresaka teo aloha: “Noresahinay sy Solo tamin’ny zanakay fa tsy kilalao ny filahiana, ka tsy azo lalaovina. Tsy misy mahazo mikitikitika an’io na i Dada, na i Neny, ary na ny dokotera aza. Rehefa ho any amin’ny dokotera izahay, dia hazavaiko aminy fa mijery izay tsy metimety fotsiny izy matoa mikitika azy io.” Mila miresaka amin-janany matetitetika momba izany ny mpivady. Tokony hanome toky ny zanany izy ireo, fa afaka mitaraina amin’i Dada sy Neny foana izy raha misy mikitikitika ny filahiany na ny fivaviany na ny nonony. Ampirisihin’ny manam-pahaizana ny ray aman-dreny rehetra, mba hiresaka amin-janany toy izany.

Tena nanampy olona maro hampianatra ny zanany ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. * Miresaka momba ny fametavetana sy ny maha zava-dehibe ny hiarovan-tena amin’izany, ny toko faha-32 hoe “Ahoana no Niarovana An’i Jesosy?” Mivantana nefa mampahery ny fanazavana voalaza ao. Hoy i Malala: “Afaka nanantitrantitra ny zavatra efa nampianarinay an’ireo zanakay izahay, rehefa nahazo an’io boky io.”

Tokony ho fantatry ny ankizy fa misy olona te hikitikitika ny filahiany sy ny fivaviany, na ilay ankizy no tian’ilay olona hanao izany aminy. Tsy tokony hahatonga azy hatahotra na tsy hatoky ny olon-dehibe rehetra anefa izany. Hoy i Holy: “Natao hanampiana azy hiaro tena fotsiny izany fampitandremana izany, ary tsy nahatonga azy hatahotra olona. Tsy io fampitandremana io ihany no omenay ny zanakay fa be dia be, ary tsy misy ifandraisana amin’ny fametavetana ny ankamaroany.”

Tokony hampianatra ny zanakao hankatò ianao. Tena ilaina izany kanefa tsy mora. (Kolosianina 3:20) Mety ho tafahoatra loatra anefa ny zavatra asainao ataony. Raha ampianarinao izy hoe tsy maintsy ankatoavina foana ny olon-dehibe rehetra, dia ho mora lasibatry ny mpametaveta izy. Tonga dia fantatry ny mpametaveta, ny ankizy mora manaiky izay ampanaovina azy. Raha hendry ny ray aman-dreny, dia ampianariny an-janany fa tsy ny olona rehetra no tokony hankatoavina. Tsy sarotra amin’ny Kristianina izany. Izao fotsiny no lazainy: “Raha asain’olona manao zavatra tsy tian’i Jehovah Andriamanitra ianao, dia aza manao. Tsy tokony haniraka anao hanao zavatra tsy tian’i Jehovah, na dia i Dada sy Neny aza. Alazao aminay foana raha vao misy olona manery anao hanao zavatra ratsy.”

Farany, dia resaho amin’ny zanakao fa tsy misy olona afaka manakana azy tsy hitantara zavatra aminareo mivady. Ilazao izy fa raha misy olona tsy mamela azy hitantara zavatra aminareo ray aman-dreniny, na inona izany na inona, dia tokony hotantarainy aminareo foana izay nitranga. Asaivo mitantara foana izy, na dia nandrahona azy aza ilay olona, ary na inona na inona nolazain’io olona io taminy na ny zava-dratsy efa nataony. Tsy natao hampitahorana ny zanakao izany toromarika izany. Omeo toky izy fa tsy ny ankamaroan’ny olona no hikitikitika ny filahiany na ny fivaviany, na hanery azy handika ny lalàn’Andriamanitra, na hanakana azy tsy hitantara zavatra amin’i Dada sy Neny. Toromarika natao hiarovana azy fotsiny ireo, raha sanatria ka misy zava-mitranga. Mety tsy hilaina akory anefa ireo.

Atoroy azy ny fomba hiarovany ny tenany

Inona kosa ny lafin-javatra fahatelo? Atoroy ny zanakao izay tokony hataony raha misy mitady hametaveta izy rehefa tsy eo ianao. Zavatra tsotra no ampirisihana hataon’ny ray aman-dreny matetika. Azonao atao ny mametraka fanontaniana manomboka amin’ny hoe “Inona no ataonao raha...?”, ary avelao izy hamaly. Ohatra hoe: “Inona no ataonao raha tsy mifankahita tampoka isika any an-tsena? Ahoana no ataonao mba hahitana ahy?” Mety tsy hifanaraka amin’ny eritreritrao ny valin-teniny, kanefa afaka mametraka fanontaniana fanampiny ianao, toy ny hoe: “Inona no azonao atao mba tsy hisy loza hanjo anao?”

Afaka manontany ny zanakao koa ianao hoe inona no tokony hataony raha misy olona mikitikitika ny filahiany na ny fivaviany na ny nonony. Raha tsy tantiny ny fanontaniana toy izany, dia manaova tantara kely momba ny ankizy iray. Ohatra: “Miaraka amin’ny dadatoany ny ankizivavikely iray. Mikasikasika ny fivavian’ilay ankizy anefa io olona io. Inona no tokony hataon’ilay ankizy, araka ny hevitrao?”

Inona no asainao ataon’ny zanakao, raha misy toe-javatra toy izany? Hoy ny mpanoratra iray: “Maro ny mpametaveta natahotra sy nandositra rehefa hentitra ilay ankizy niteny hoe ‘Mipetraha tsara!’ na ‘Aza mikitikitika ahy an!’ na ‘Mialà erỳ!’ ” Ampianaro an’ireo ny zanakao ary asaivo averiny mihitsy ilay izy, mba ho hainy tsara ny handa mafy sy handositra haingana ary hilaza aminao izay nitranga. Mety ho hadinon’ny ankizy ilay fampiofanana rehefa afaka herinandro vitsivitsy, na dia efa hainy tsara aza. Averimbereno matetika àry izany.

Tokony hiara-mampianatra an’ilay ankizy ny olona rehetra mitaiza azy. Anisan’izany ny lehilahy, ohatra hoe ny rainy na raikeliny na havana hafa. Nahoana? Satria manome toky an’ilay zaza izany fa tsy hametaveta azy mihitsy izy ireo. Mampalahelo fa ny fianakaviany ihany matetika no mametaveta ny ankizy. Ahoana àry no hahatonga ny tokantranonao ho toeram-piarovana, eto amin’ity tontolo ratsy ity? Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Tsy voatery hiteny ny ankizy iray vao ho fantatra hoe nisy nametaveta. Mety ho hita amin’ny fihetsiny izany. Mety ho nisy zavatra tsy nataony intsony nefa ataony indray, toy ny mipipỳ am-pandriana, tsy mety misaraka amin’ny ray aman-dreny, na matahotra havela irery. Izany no manaporofo fa misy zavatra mampikorotan-tsaina azy. Tsy voatery ho nisy nametaveta anefa ny ankizy rehetra manao izany. Anontanio moramora izy mba hahafantaranao izay zavatra mampalahelo azy. Amin’izay ianao dia ho afaka hampahery sy hiaro azy, ary hanome toky fa vonona hanampy azy.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Ianao no tokony hanao zavatra voalohany mba hiarovana ny zanakao

[Teny notsongaina, pejy 7]

Ampianaro izy

[Teny notsongaina, pejy 8]

Atoroy azy ny fomba hiarovany ny tenany

[Efajoro, pejy 4]

OLANA MANERAN-TANY NY FAMETAVETANA ANKIZY

Nanao fanadihadiana momba ny herisetra atao amin’ny ankizy maneran-tany ny mpanao fikarohana iray. Noresahin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ny tatitra voangon’izy io, nandritra ny Fivoriamben’ny ONU tamin’ny 2006. Voalazan’ilay tatitra fa tao anatin’ny herintaona, dia tokotokony ho ankizivavy 150 tapitrisa sy ankizilahy 73 tapitrisa, latsaka ny 18 taona, no “noterena hanao firaisana na novetavetaina tamin’ny fomba hafa.” Mampivarahontsana izany isa izany, nefa milaza ilay tatitra fa “mbola latsaka noho ny isa tena marina io.” Nisy fandinihana natao tany amin’ny firenena 21, ka izao no hita tany amin’ny tany sasany: Ny 36 isan-jaton’ny vehivavy ary ny 29 isan-jaton’ny lehilahy, no efa nisy nametaveta tamin’izy mbola kely. Havana ny ankamaroan’ireo mpametaveta!

[Efajoro, pejy 6]

PAIKADIN’IREO MPAMETAVETA

Fetsy be ireo mpametaveta ankizy. Tsy tonga dia tereny hanao firaisana aminy ny ankizy, fa tambatambazany aloha. Dinihiny tsara aloha hoe iza no ankizy mora fitahina sy tsy miahiahy olona, ary mifidy iray amin’ireo izy. Ahiny manokana iny ankizy iny avy eo. Mety hataony koa izay hahatonga ny ray aman-drenin’ilay ankizy hatoky azy. Mahay mihatsaravelatsihy ny mpametaveta, matetika, ka mody miahy an’ilay zaza sy ny fianakaviany.

Manomboka manao zavatra amin’izay izy, mba hahatonga an’ilay ankizy ho mora vetavetaina. Manomboka mikasikasika ny vatan’ilay zaza ilay mpametaveta. Mifampitolontolona aminy izy, na manitikitika azy, na manao fihetsika mampiseho fitiavana. Mety hanome fanomezana be dia be izy, ary manomboka misarika an’ilay zaza hihataka amin’ny namany, na ny iray tam-po aminy, na ny ray aman-dreniny. Afaka miaraka irery izy ireo amin’izay. Mety hisy zavatra madinidinika tsy havelany hotantarain’ilay zaza amin’ny ray aman-dreniny. Angamba izany fanomezana na fikasana handeha hitsangantsangana. Izany no fomba anambatambazany an’ilay ankizy. Vonona hanatanteraka ny asa ratsiny amin’izay ilay mpametaveta, rehefa lasa matoky azy ilay zaza sy ny ray aman-dreniny.

Fetsy anefa izy, ka tsy mampiasa herisetra na manery an’ilay zaza. Te hahalala momba ny firaisana ny ankizy ka izay no hararaotiny. Mody miseho ho mpampianatra izy na mitaona an’ilay zaza hanao “kilalao hafakely”, ary tsy avelany tantaraina amin’olona izany. Mety hampiseho sary vetaveta izy, mba hahatonga an’ilay zaza hieritreritra fa ara-dalàna ireo fihetsika mamoafady hitany ao.

Rehefa avy nametaveta an’ilay ankizy izy, dia miezaka mandresy lahatra azy mba tsy hitantara izany amin’olona. Mety hampiasa fomba maro izy, anisan’izany ny fandrahonana, fanomezan-tsiny, na izy roa mitambatra. Mety hilaza izy hoe: “Ianao no diso satria tsy nanakana ahy.” Mety hanampy izy hoe: “Raha alazanao amin’ny ray aman-dreninao aho, dia hiantso polisy izy ireo, ary higadra mandrakizay aho.” Mety hilaza koa izy hoe: “Tsiambaratelontsika izany. Tsy hino anao ny olona, na dia hiresaka amin’izy ireo aza ianao. Hovonoiko ny ray aman-dreninao, raha fantatr’izy ireo izany.” Maro be ny paikady sy fitaka ampiasain’ny mpametaveta.

[Sary, pejy 5]

Araho maso ny zavatra ataon’ny zanakao

[Sary, pejy 7]

Aza misalasala manazava aminy ny atao hoe firaisana

[Sary, pejy 8]

Ampianaro ny zanakao mba ho hentitra tsara rehefa sendra mpametaveta ankizy