Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

3. Mirindra Tsara

3. Mirindra Tsara

Antony Atokisana ny Baiboly

3. Mirindra Tsara

Alao sary an-tsaina hoe miangavy lehilahy 40 ianao, mba hanoratra boky iray. Samy hanoratra ampahany avy izy ireo. Mipetraka any amin’ny tany samihafa izy ireo, tsy mitovy ny fari-piainany, ary misy tsy mifankahalala. Tsy mahafantatra izay nosoratan’ny hafa koa ny sasany. Hanantena ve ianao fa hirindra tsara ilay boky?

NY BAIBOLY no tiana holazaina eto. * Tena mirindra tsara izy io, na dia mbola hafakely noho izay voalaza etsy ambony aza ny toe-javatra nanoratana azy.

Toe-javatra hafakely. Nosoratana nandritra ny 1 600 taona teo ho eo ny Baiboly, nanomboka tamin’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny 98 A.K. tany ho any. Taonjato maro àry no manelanelana ny fotoana nahaveloman’ny maro amin’ireo mpanoratra 40 eo ho eo. Samy hafa ny asan’izy ireo. Tao ny mpanarato, ny mpiandry ondry, ny mpanjaka, ary dokotera ny iray.

Hafatra mirindra. Namelabelatra foto-kevitra lehibe iray ireo mpanoratra Baiboly. Tsy inona izany fa ny fanamarinana ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny fanatanterahana ny fikasany, amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra, izay hifehy ny tany manontolo. Resahina voalohany izy io ao amin’ny Genesisy, velabelarina ao amin’ireo boky manaraka, ary faranana ao amin’ny Apokalypsy ny firesahana momba azy.—Jereo ilay hoe “Inona no Raketin’ny Baiboly?”, ao amin’ny pejy faha-19.

Mifanaraka ny tsipiriany. Mifanaraka ny zavatra nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly, na dia amin’ny tsipiriany madinika aza. Matetika anefa izany no tsy natao fanahy iniana. Milaza, ohatra, i Jaona fa rehefa nisy vahoaka be tonga nihaino an’i Jesosy, dia i Filipo no nanontanian’i Jesosy hoe: “Aiza isika no hividy mofo hohanin’ireto?” (Jaona 6:1-5) Nilaza i Lioka ao amin’ny Filazantsarany, fa nitranga tsy lavitra ny tanànan’i Betsaida ilay tantara. Efa voalazan’i Jaona tany am-piandohan’ny Filazantsarany fa avy any Betsaida i Filipo. (Lioka 9:10; Jaona 1:44) Ara-dalàna àry raha i Filipo, izay nipetraka tsy lavitra teo, no nanontanian’i Jesosy. Mifanaraka ireo tsipiriany ireo, nefa hita fa tsy natao fanahy iniana izany. *

Ara-dalàna ny tsy fitoviana. Misy tsy mitovy ny zavatra lazain’ny mpanoratra sasany, nefa tsy efa ampoizina ve izany? Eritrereto hoe nisy heloka bevava nitranga, ary vavolombelona maromaro no nahita ilay izy. Raha mitovy tanteraka ny fomba nilazany ny tsipiriany, tsy hieritreritra ve ianao hoe niray tsikombakomba ry zareo hampitovy ilay izy? Samy hanana ny fomba hilazany ny zava-nitranga izy ireo, raha ny marina, arakaraka ny toerana nahitany ilay izy. Toy izany koa ireo mpanoratra Baiboly.

Ohatra: Nanao akanjo volomparasy ve i Jesosy tamin’ny andro nahafatesany, araka ny voalazan’i Marka sy Jaona? (Marka 15:17; Jaona 19:2) Sa mena midorehitra araka ny nolazain’i Matio ilay izy? (Matio 27:28) Samy azo ekena ireo. Ahazoana loko volomparasy mantsy ny mena. Arakaraka ny toerana misy an’ilay olona koa, dia mety ho malefaka kokoa ny fahitany ny lokon’ilay akanjo, noho ny tara-pahazavana sy ny manodidina an’ilay izy. *

Mirindra tokoa àry ny zavatra nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly, ary mifanaraka tsara na dia tsy natao fanahy iniana aza. Vao mainka izany manaporofo fa mendri-pitokisana ny asa sorany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Fitambarana boky na fizarana 66 ny Baiboly. Manomboka amin’ny Genesisy izy io, ary mifarana amin’ny Apokalypsy.

^ feh. 7 Mba hahitanao ohatra hafa momba io firindrana io, dia jereo ny pejy 16-17 amin’ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra pejy 16-17, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 7]

Volomparasy ilay akanjon’i Jesosy sa mena midorehitra?