Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?

Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?

Manontany Ny Tanora Hoe...

Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?

AOKA hatao hoe miara-misakafo amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao. Mijerijery an’ilay ankizilahy vaovao ny iray.

Hoy izy avy eo: “Tia an-dry mihitsy akia itsy bandy itsy a! Jereo fotsiny ny fijeriny an-dry. Hoatran’ny atỳ amin-dry foana ny masony!”

Mibitsibitsika aminao avy eo ilay ankizivavy faharoa hoe: “Sady izao akia a! ... Mbola tsy manana sipa izy!”

Hoy indray ilay ankizivavy voalohany: “Izaho aloha efa manana e! Fa raha tsy izany an ... Tena tonga dia nidirako io!”

Hoy izy avy eo: “Fa maninona tokoa aloha indrỳ no tsy mba manao sipa e?”

Izay indray ilay fanontaniana tsy tianao ho re. Hoy ianao anakampo: ‘Raha mba fantany mantsy fa tena te hiaraka amin’ny ankizilahy aho. Saingy nilazana aho hoe aleo tsy manao an’izany raha tsy efa vonona hanambady. Raha mba tsy...’

Tapaka eo ny eritreritrao, satria hoy ilay ankizivavy faharoa: “Sa moa ianareo tsy mahazo manao an’izany ao amin’ny fivavahanareo?”

Taitra ianao, ka miteny anakampo hoe: ‘Ary toa fantany ny eritreritro?’

Hoy indray ilay ankizivavy voalohany: “Ny anareo koa io Baiboly Baiboly io foana! Tsy mba mahazo mifalifaly mihitsy izany ianareo?”

Efa nitranga taminao koa ve izany? Efa nesoin’ny olona ve ianao satria miezaka mankatò ny fitsipiky ny Baiboly? Inona no nataonao?

Sahy niaro ny fitsipika arahinao ve ianao?

◼ Sa menatra ianao, saingy niezaka ihany nanazava ny zavatra inoanao?

◼ Sa lasa nitovy hevitra tamin’ny mpiara-mianatra aminao ianao, ka nahita fa tsy mba afaka mifalifaly tokoa?

Asa ianao raha efa mba nanontany hoe: ‘Mahasoa tokoa ve ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly?’ Nieritreritra momba izany ny ankizivavy iray atao hoe Maholy. * Hoy izy: “Nahazo nanao izay tiany ny namako. Hoatran’ny tsy bedy mihitsy ry zareo, ka nihevitra aho hoe hentitra loatra ny fitsipiky ny Baiboly. Tiako ny fiainan’ny namako tany am-pianarana.”

Diso ve ianao raha misalasala?

Efa nisy fotoana nampisalasala an’i Asafa mpanoratra Baiboly, raha mahasoa ny manana fiainana mampifaly an’Andriamanitra. Hoy izy: “Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” Nilaza mihitsy aza izy hoe: “Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tànako tamin’ny fahamarinana.”—Salamo 73:3, 13.

Fantatr’i Jehovah Andriamanitra hoe mety hisy olona hisalasala, raha mahasoa ny mankatò ny fitsipiny. Izany no antony nampanoratany an’ireo tenin’i Asafa ireo tao amin’ny Baiboly. Hitan’i Asafa nony farany fa ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra ihany no tsara indrindra. (Salamo 73:28) Ahoana no nahitany izany? Lehilahy hendry i Asafa. Tsy rehefa voa izy vao tonga saina. Naka lesona avy tamin’ny fahadisoan’ny hafa kosa izy. (Salamo 73:16-19) Nahoana raha manahaka azy?

Makà lesona avy amin’ny fahadisoan’ny hafa

Tsy toa an’i Asafa kosa i Davida Mpanjaka. Efa voa izy vao nahatsapa fa mijaly izay tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra. Nijangajanga tamin’ny vadin’ny mpanompony i Davida, ary nanandrana nanafina izany. Nampahory ny hafa ny nataony, sady nampalahelo an’Andriamanitra. Nitebiteby be koa izy. (2 Samoela 11:1–12:23) Nibebaka anefa izy tatỳ aoriana. Nasain’i Jehovah nataon’i Davida hira sy nosoratany ao amin’ny Baiboly ny fihetseham-pony, mba hahasoa antsika. (Salamo 51:1-19; Romanina 15:4) Hendry àry isika raha maka lesona avy amin’ny fahadisoan’ny hafa. Izany koa no ampirisihan’ny Baiboly.

Mba hanampiana anao hanahaka an’i Asafa, sy tsy hamerina ny fahadisoan’i Davida, dia diniho ny tenin’ireto tanora avy any amin’ny tany samihafa ireto. Nisy fotoana tsy nankatoavan’izy ireo ny fitsipiky ny Baiboly. Nanao firaisana alohan’ny fanambadiana mantsy ry zareo. Nibebaka toa an’i Davida anefa izy rehetra, ka madio indray eo imason’i Jehovah.—Isaia 1:18; 55:7.

Mifohaza!: Inona avy no zavatra nisy vokany teo amin’ny sainareo sy ny fitondran-tenanareo?

Maholy: “Nanao sipa daholo ny mpiara-mianatra tamiko na lahy na vavy. Toa sambatra erỳ ry zareo. Niaraka tamin’izy ireo aho indraindray, ka nahita azy nifanoroka sy nifamihina. Lasa nahatsiaro ho nanirery aho, sady nitsiriritra azy ireo. Tia ankizilahy iray izay aho. Nieritreritra azy foana àry aho, ka vao mainka te hiaraka taminy. Nitady ny fomba rehetra hiarahana taminy koa aho.”

Michel: “Namaky boky sy nijery fandaharana tsy niresaka afa-tsy firaisana aho. Izany foana koa no resakay sy ny namako, ka vao mainka aho te hahalala momba ny firaisana. Nony tafaraka tamin’ny ankizivavy àry aho, dia nieritreritra fa afaka mifanafosafo sy mifanoroka izahay, nefa tsy voatery hanao firaisana. Nihevitra aho fa hahavita hifehy tena foana.”

Adriano: “Zatra nijery sary vetaveta tao amin’ny Internet aho. Nisotro toaka be koa aho, ary niara-nanao fety tamin’ny ankizy tsy dia niraharaha ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.”

Leslie: “Ny hiaraka tamin’ilay sipako ihany no nahamaika ahy, tamin’izaho 16 taona. Fantatro fa tsy mety ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana, nefa tiako ilay izy. Tsy nieritreritra ny hanao firaisana alohan’ny fanambadiana aho talohan’izay, nefa jamban’ny fitiavana. Tsy nanenjika ahy ny eritreritro nandritra ny fotoana kelikely.”

Mifohaza!: Tianareo ve ny fiainanareo tamin’izany?

Maholy: “Faly be aho tamin’ny voalohany, satria tsy voafehifehy intsony sady lasa tian’ny namako. Tsy naharitra anefa izany. Nahatsapa ho maloto sy meloka ary tsy mendrika aho. Nanenina be aho satria tsy virjiny intsony, nefa tsy ho afaka hamerina izany mandrakizay. Imbetsaka àry aho no nieritreritra hoe: ‘Fa nihevitra ny tenako ho iza moa aho no tsy ho voa mihitsy?’ Izao anefa no tena nampiasa saina ahy: ‘Naninona aho no tsy niraharaha ny fitsipika feno fitiavana avy amin’i Jehovah?’ ”

Michel: “Tsy nisy dikany intsony ny fiainako. Nataoko izay hanadinoana ny vokatry ny ditrako, nefa tsy vitako izany. Nalahelo be aho nieritreritra hoe nampijaly ny hafa, noho ny fitiavan-tenako. Tsy nahita tory aho. Tsy nahafinaritra ahy intsony ny nanao firaisana, tatỳ aoriana, ary nijaly sy menatra aho.”

Adriano: “Lasa mora resin’ny fakam-panahy aho. Nahatsiaro tena ho meloka koa aho, sady sosotra tamin’ny tenako.”

Leslie: “Tsy ela aho dia tsy maintsy nijinja ny vokatry ny ditrako. Simba ny fahatanorako. Nihevitra aho fa hahafinaritra be ny fiarahanay sy ilay sipako. Tsy izany anefa no nitranga. Niafara tamin’ny alahelo sy ratram-po ny fiarahanay. Nitomany be aho isan’alina, sady niteny anakampo hoe: ‘Raha mba nankatò an’i Jehovah mantsy aho!’ ”

Mifohaza!: Misy tanora mihevitra fa hentitra loatra ny fitsipiky ny Baiboly. Inona no torohevitra omenareo azy?

Maholy: “Tsy ho tsara kokoa ny fiainanao raha tsy mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ianao. Eritrereto izay ho tsapan’i Jehovah raha manaraka ny toroheviny ianao. Saintsaino koa izay hitranga raha tsy miraharaha izany ianao. Tadidio fa tsy ianao ihany no ho simba. Hisy vokany eo amin’ny hafa koa ny ataonao.”

Michel: “Hoatran’ny tsara ny fiainan’ny namanao, rehefa jerena etỳ ivelany. Diniho tsara anefa izany alohan’ny hanarahana izay ataony. Anisan’ny zava-tsarobidy indrindra nomen’i Jehovah anao ny fahamendrehana sy ny fahadiovana eo amin’ny fitondran-tena. Manambany tena ianao, raha manary an’ireo fanomezana ireo, satria fotsiny hoe tsy mahafehy tena. Resaho amin’ny ray aman-dreninao na ny olona matotra hafa ny manjo anao. Raha nanao fahadisoana ianao, dia tsory avy hatrany izany, ary miovà. Hilamin-tsaina ianao, raha mankatò an’i Jehovah.”

Adriano: “Mbola tsy nahita fiainana isika, ka mihevitra fa mahafinaritra ny fiainan’ny namantsika. Hisy vokany eo amintsika anefa ny toe-tsainy. Fidio tsara àry ny namanao. Matokia an’i Jehovah, dia tsy hanenina ianao.”

Leslie: “Aza mieritreritra hoe: ‘Tsy hitranga amiko izany.’ Niteny tamiko nivantana i Neny fa hanenina aho. Tezitra be taminy aho! Nihevitra aho mantsy fa mafy be, ka hahatohitra fakam-panahy. Tsy izany anefa no nitranga. Ankatoavy i Jehovah, ary miaraha amin’ny olona manao izany, dia ho sambatra ianao.”

Rojo vy sa arofanina?

Raha maneso anao ny namanao noho ianao mankatò ny fitsipiky ny Baiboly, dia eritrereto izao: ‘Nahoana izy ireo no tsy mety mankatò ny fitsipiky ny Baiboly? Mba efa namaky Baiboly sy nandinika ny soa azon’ny olona mankatò ny lalàn’Andriamanitra ve izy ireo? Efa nodinihiny tsara ve hoe inona no vokany, rehefa tsy raharahaina ireny lalàna ireny? Sa manaraka izay ataon’ny namany fotsiny izy?’

Angamba ianao mahafantatra olona ‘manaraka izay ataon’ny maro’ fotsiny. (Eksodosy 23:2) Tsy aleo ve manao zavatra tsara kokoa noho izany? Inona àry no azonao atao? Araho ilay torohevitry ny Baiboly hoe: ‘Diniho tsara ka fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ (Romanina 12:2) “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ka tiany ho falifaly koa ianao. (1 Timoty 1:11; Mpitoriteny 11:9) Natao hahasoa anao ireo fitsipiky ny Baiboly. Mety hihevitra azy ireny ho toy ny rojo vy maneritery ny fiainanao angamba ianao. Tsy toy izany anefa ny lalàn’i Jehovah, fa toy ny arofanina miaro amin’ny loza.

Tena afaka matoky ny Baiboly ianao. Raha mankatò ny fitsipika ao amin’izy io ianao, dia ho faly i Jehovah, ary handray soa ianao.—Isaia 48:17.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Novana ny anarana ato.

ERITRERETO IZAO:

◼ Nahoana no mety ho sarotra aminao ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly?

◼ Nahoana ianao no mila mandinika raha ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra ihany no tsara indrindra?