Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Baiboly no Tody Hatratỳ Amintsika?

Nahoana ny Baiboly no Tody Hatratỳ Amintsika?

Nahoana ny Baiboly no Tody Hatratỳ Amintsika?

Efa 1 900 taona mahery izay no nahavitan’ny Baiboly, ary fitaovana mora simba toy ny taratasy vita tamin’ny karazan-jozoro sy hodi-biby malefaka, no nampiasaina. Fiteny tsy ampiasain’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny no nanoratana azy io. Niezaka namongotra azy io koa ny manam-pahefana, toy ny mpanjaka sy ny mpitondra fivavahana. Mbola afaka manana Baiboly anefa isika ankehitriny, sady tsy misy banga ny hafatra raketiny. Tena mahatalanjona izany!

TSY tontan’ny ela ny Baiboly, ary izy io no boky fanta-daza indrindra. Nahoana? Ireto misy antony roa.

Maro ny kopia natao

Tena niaro ny Soratra Masina tany am-boalohany ny Israelita, ary nandika azy io tamin’ny horonana maro samihafa. Nasaina nadikan’ny mpanjakan’ny Israely ‘tamin’ny boky’, ohatra, ‘ny lalàna, ka hataony araka ilay tehirizin’ireo Levita mpisorona.’—Deoteronomia 17:18.

Tia namaky ny Soratra Masina ny Israelita maro satria fantany fa Tenin’Andriamanitra izy io. Mpanora-dalàna efa voaofana tsara no nandika azy io tamin’ny horonana hafa ary nanao izany tamim-pitandremana fatratra. Mpanora-dalàna ‘mahay’ sy matahotra an’Andriamanitra, ohatra, i Ezra. (Ezra 7:6) Teo koa ireo Masoreta, izay nandika ny Soratra Hebreo, na “Testamenta Taloha”, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1000. Nisainy mihitsy ny litera ao amin’ny Soratra Masina, satria tsy te hanao diso izy ireo. Tsy misy diso ny Soratra Masina noho izany fandikana tamim-pitandremana izany, ary mbola afaka manana azy io isika ankehitriny, na dia nanao izay hamongorana azy io aza ny fahavalo.

Niezaka namongotra ny Soratra Hebreo rehetra nanerana an’i Palestina, ohatra, ilay mpanjaka syrianina atao hoe Antiochus Fahefatra, tamin’ny 168 T.K. Nilaza ny boky iray momba ny tantaran’ny Jiosy hoe: “Izay horonana nisy ny lalàna [Soratra Masina] hitan’izy ireo, dia norovitiny sy nodorany avokoa.” Hoy Ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy): ‘Tena nasiaka ireo manamboninahitra niandraikitra izany. Nomelohina ho faty izay olona nanana an’io boky masina io.’ Mbola nisy Jiosy nanana ny Soratra Masina ihany anefa tany Palestina sy tany an-tany hafa.

Maro no nanao dika mitovy an’ireo taratasy sy faminaniana ary tantara ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na “Testamenta Vaovao”, taoriana kelin’ny nahavitan’ireo mpanoratra Baiboly azy io. Tany Efesosy na tany akaikin’io tanàna io, ohatra, no nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany. Hita tany Ejipta, an-jatony kilaometatra avy eo, anefa ny sombiny tamin’ny dika mitovy amin’io Filazantsara io. Nilaza ny manam-pahaizana fa vita 40 taona mahery kely taorian’ny nanoratan’i Jaona ny Filazantsarany izy io. Asehon’izany fa nahazo dika mitovy tamin’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ireo Kristianina tany an-tany lavitra, taoriana kelin’ny nanoratana azy ireny.

Ny fielezan’ny Tenin’Andriamanitra koa no antony tsy nahafongotra azy io, an-jatony taona taorian’i Kristy. Voalaza, ohatra, fa namotika ny varavaran’ny fiangonana iray sy nandoro Baiboly maro be ny miaramilan’i Dioclétien Mpanjaka, tamin’ny 23 Febroary 303 vao nangiran-dratsy. Nanatrika izany io mpanjaka io. Nihevitra izy fa ho afaka hanafoana ny Fivavahana Kristianina, raha fongotra ny Soratra Masina. Namoaka didy izy ny ampitson’io, fa hodorana ampahibemaso ny Baiboly rehetra ao amin’ny Fanjakana Romanina. Tsy fongotra avokoa anefa ny Baiboly tany, ary natao kopia izy ireny. Mbola misy ampahany lehibe amin’ny Baiboly roa natao kopia tamin’izany aza, ankehitriny. Amin’ny teny grika izy ireo. Ny iray any Roma, fa ny iray kosa ao amin’ny Tranomboky Britanika, any Angletera.

Mbola tsy nahita Baiboly sora-tanana tany am-boalohany ny mpikaroka. An’arivony amin’ireo kopian’ny Baiboly sora-tanana, na ampahany amin’izany, anefa no mbola voatahiry hatramin’izao, ary efa tranainy be ny sasany aminy. Niova ve ny hafatra raketin’ny Baiboly noho izy io natao kopia? Hoy i William Green, manam-pahaizana momba ny Soratra Hebreo: ‘Tsy misy boky tranainy natao kopia marina tsara toa azy io.’ Nilaza ny heviny momba ny Soratra Grika Kristianina Atoa Frederic Kenyon, manam-pahaizana momba ny Baiboly sora-tanana. Hoy izy: ‘Tena nifanakaiky ny fotoana nanoratana ny Soratra Masina tany am-boalohany sy ny datin’ireo horonam-boky hitan’ny arkeology. Tsy isalasalana intsony àry fa mitovy amin’izay nosoratana fahiny ny Soratra Masina ananantsika ankehitriny. Voaporofo fa marina tsara sady mifanaraka amin’ny soratra tany am-boalohany ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao.’ Hoy koa izy: “Azonay antoka fa marina tsara ny Baiboly. ... Tsy mba toy izany ny boky tranainy hafa.”

Nadika amin’ny fiteny hafa

Anisan’ny tena nahatonga ny Baiboly ho fanta-daza, ny nandikana azy io tamin’ny fiteny maro. Mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra izany. Iriny hahafantatra azy sy hivavaka aminy “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” mantsy ny olona avy amin’ny firenena sy fiteny rehetra.—Jaona 4:23, 24; Mika 4:2.

Nadika ho amin’ny teny grika ny Soratra Hebreo ary Ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo no voalohany tamin’ireny fandikan-teny ireny. Natao ho an’ireo Jiosy niteny grika nipetraka tany ivelan’i Palestina izy io, ary vita tokony ho 200 taona, talohan’ny nanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nadika tamin’ny fiteny maro be ny Baiboly manontolo, taonjato vitsivitsy taorian’ny nahavitana ny Soratra Grika Kristianina. Tokony ho nampiasa ny fahefana rehetra nananany ireo mpanjaka sy pretra, mba hahatonga ny Baiboly ho eny am-pelatanan’ny vahoaka. Tsy izany anefa no nataon’izy ireo. Tsy navelany hadika tamin’ny fiteny ampiasain’ny besinimaro ny Tenin’Andriamanitra. Tsy tiany hahalala ny fahamarinana mantsy ny vahoaka.

Nanohitra ny didin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana ny lehilahy be herim-po sasany. Nanao vivery ny ainy izy ireo mba handikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny ampiasain’ny vahoaka. Anisan’ireny ilay Anglisy atao hoe William Tyndale, mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Oxford. Nadikany ho amin’ny teny anglisy ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly, na dia teo aza ny fanenjehana nahery vaika. Izy no nandika voalohany ny Baiboly amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny anglisy. Izy koa no mpandika teny anglisy voalohany nampiasa an’ilay anarana hoe Jehovah. Nifofo ny ain’ilay manam-pahaizana espaniola atao hoe Casiodoro de Reina koa ny Eglizy Katolika, tamin’izy nandika ny Baiboly ho amin’ny teny espaniola. Ny fandikan-teny nataony no anisan’ireo Baiboly amin’ny teny espaniola voalohany. Nandeha tany Angletera, Alemaina, Frantsa, Holandy, ary Soisa izy, mba hamitany an’ilay fandikan-teny. *

Mihamaro hatrany ny fiteny andikana ny Baiboly, ary an-tapitrisany amin’izy io no efa vita pirinty. Tsy nety fongotra ny Baiboly, ary izy io no nanjary ny boky fanta-daza indrindra ankehitriny. Tena manamarina an’ity tenin’ny apostoly Petera ity izany: “Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny, fa ny tenin’i Jehovah maharitra mandrakizay.”—1 Petera 1:24, 25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Natonta tamin’ny 1569 ny fandikan-tenin’i Reina. Nohavaozin’i Cipriano de Valera izy io tamin’ny 1602.

[Efajoro/​Sary, pejy 14]

BAIBOLY INONA NO TOKONY HOVAKIKO?

Misy isan-karazany ny fandikan-tenin’ny Baiboly. Tsy marina tsara anefa ny fandikan-teny sasany, satria nolazaina tamin’ny fomba hafa ny hevitra ao amin’ny Baiboly, mba ho mora vakina. Mampiasa teny sarotra sy tranainy ny fandikan-teny hafa. Ara-bakiteny kosa ny fandikan-teny sasany.

Nadika avy amin’ny teny hebreo sy grika ilay fandikan-teny anglisy hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mitonona anarana ireo nandika azy io. Nampiasain’ny mpandika teny hafa izy io, mba handikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny 60 eo ho eo. Nampitahain’izy ireo tamin’ny teny hebreo sy grika, ny teny ao amin’ilay fandikan-teny anglisy, tamin’izy ireo nandika azy io ho amin’ny fiteniny. Ny handika ny teny hebreo sy grika ara-bakiteny araka izay azo atao no tanjon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, raha tsy manova ny heviny izany. Nazava tsara tamin’ny olona fahiny ny Soratra Masina ary tian’ireo mpandika teny hazava tsara amin’ny olona ankehitriny koa.

Nandinika fandikan-teny maro ny manam-pahaizana sasany mba hahitana ny diso. Nodinihin’izy ireo koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nandinika ireo Baiboly amin’ny teny anglisy sivy “be mpampiasa indrindra”, * ohatra, i Jason BeDuhn, mpampianatra momba ny fivavahana, ao amin’ny oniversite iray any Etazonia. Namoaka boky 200 pejy, mirakitra ny vokatry ny fandinihana nataony, izy tamin’ny 2003. Nodinihiny ireo andinin-teny mampiady hevitra ny manam-pahaizana. “Samy manana ny heviny mantsy izy ireo, ary misy fiantraikany eo amin’ny fandikan-teny izany matetika.” Nampitahainy tamin’ny andalan-teny ao amin’ny fandikan-teny grika ny fandikan-teny anglisy tsirairay mba hahitana ny diso. Inona no vokatr’izany?

Misy lafin-javatra tsy itovizan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (TV ) amin’ny fandikan-teny hafa. Mihevitra ny ankamaroan’ny olona sy ny manam-pahaizana maro, fa ny fivavahan’ireo mpandika teny no mahatonga izany. Hoy anefa i BeDuhn: “Tena marina tsara sy ara-bakiteny ary natao tamim-pitandremana ny TV, ka izany no tena mahasamy hafa azy io amin’ny fandikan-teny hafa.” Na dia tsy eken’i BeDuhn aza ny fomba nandikana ny teny sasany ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, dia nilaza izy fa io no “marina indrindra amin’ireo fandikan-teny nampitahainy.” Nantsoiny hoe fandikan-teny “tena tsara” izy io.

Mitovy amin’izany koa ny hevitry ny Pr. Benjamin Kedar, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, mipetraka any Israely. Hoy izy tamin’ny 1989: “Niezaka mafy ireo nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba ho azon’ny olona tsara ny fandikan-teniny, nefa koa marina araka izay azo atao. ... Tsy nahita hevitra tsy nifanaraka tamin’ireo soratra tany am-boalohany mihitsy aho, tao amin’ny TV.”

Tsara ny hieritreretana hoe: ‘Inona no tanjoko rehefa mamaky Baiboly? Izay fandikan-teny mora vakina ve no tiako, na dia tsy marina tsara aza? Sa tiako kokoa ny fandikan-teny mamoaka tsara ny hevitry ny soratra tany am-boalohany?’ (2 Petera 1:20, 21) Miankina amin’ny tanjonao ny safidinao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Ireto ny Baiboly hafa ankoatra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: Ny Testamenta Vaovao Nohazavaina, Ny Baiboly Velona, Ny Baiboly Amerikanina Vaovao Misy Testamenta Vaovao Nohavaozina, Baiboly Amerikanina Vaovao, Ny Baiboly MasinaDikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena, Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina Fanindroany, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques.

[Sary]

Misy amin’ny fiteny maro ny “Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”

[Sary, pejy 12, 13]

Sora-tanana nataon’ny Masoreta

[Sary, pejy 13]

Sombin-taratasy misy ny Lioka 12:7 manao hoe: “... aza matahotra fa sarobidy noho ny fody maro ianareo”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Taratasy voalohany: National Library of Russia, St. Petersburg; faharoa sy fahatelo: Bibelmuseum, Münster; sombin-taratasy: © The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin