Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona moa Aho Raha Maty E?

Maninona moa Aho Raha Maty E?

Manontany ny Tanora Hoe...

Maninona moa Aho Raha Maty E?

An-tapitrisany isan-taona ny tanora manandrana mamono tena. Maty tokoa ny maro amin’izy ireny. Izany no mahatonga ny “Mifohaza!” hamoaka ity lahatsoratra ity.

“ESORY ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.” Fantatrao ve hoe iza no niteny an’izany? Olona tsy nino an’Andriamanitra ve? Sa olona nivadika taminy? Sa olona nafoiny? Tsia, fa ilay mpanompony atao hoe Jona. Kivy be izy, ka izany no nahatonga azy hilaza an’ireo. * (Jona 4:3) Tsy lazain’ny Baiboly raha saika hamono tena tokoa izy na tsia. Hita avy amin’io fitalahoany io anefa, fa mety hijaly mafy na ho kivy be indraindray, na dia ny mpanompon’Andriamanitra aza.—Salamo 34:19.

Misy tanora mijaly mafy toy izany koa ankehitriny, ka te ho faty. Hoy, ohatra, i Laura, * 16 taona: “Efa ela aho no kivy be foana. Te hamono tena aho matetika.” Inona àry no azonao atao raha misy olona milaza aminao hoe te ho faty, na ianao mihitsy no te hanao izany? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana no misy olona te ho faty.

Ny antony

Maninona no misy olona te hamono tena? Antony maromaro no mety hahatonga izany. Voalohany, miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, ka maro ny tanora tsy mahazaka ny hamafin’ny fiainana. (2 Timoty 3:1) Faharoa, tsy lavorary isika, ka misy kivy noho ny zavatra iainany, na koa mieritreritra hoe tsy misy ilana azy. (Romanina 7:22-24) Angamba misy olona mampijaly na mametaveta azy. Fahatelo, mety hoe marary ilay olona, ka te ho faty. Marary saina, ohatra, ny ankamaroan’ny olona namono tena, tao amin’ny tany iray. *

Tsy misy olona tsy mijaly tokoa eto an-tany. Hoy mantsy ny Baiboly: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” (Romanina 8:22) Anisan’izany ny tanora. Kivy be izy ireo, rehefa misy zavatra mampalahelo mitranga aminy. Ireto ny sasany:

▪ Maty ny havany na ny namany na ny biby nompiany

▪ Miady lava ny ao an-tranony

▪ Tsy mahay izy any am-pianarana

▪ Nisaraka izy sy ny olon-tiany

▪ Misy olona mampijaly azy (angamba mamono na mametaveta azy)

Tsy maintsy hitranga amin’ny tanora rehetra ny iray amin’ireo, fara faharatsiny, na ho ela na ho haingana. Nahoana anefa ny sasany no mahazaka izany, fa misy kosa tsy mahazaka? Resahin’ny manam-pahaizana hoe mihevitra ireo tanora te hamono tena, fa tsy misy olona afaka manampy azy, sady tsy ho voavaha mihitsy ny olana mahazo azy. Mieritreritra izy hoe tsy misy azony atao mba hanamaivanana ny fahoriany, ary tsy hisy masoandro mihiratra mihitsy eo amin’ny fiainany. Hoy ny Dr. Kathleen McCoy, mpitsabo aretin-tsaina: “Tsy tena te ho faty ny ankamaroan’ireny tanora ireny, fa tsy te hijaly intsony fotsiny.”

Tsy hisy masoandro mihiratra mihitsy tokoa ve?

Ahoana raha nisy olona nilaza taminao hoe tena “tsy te hijaly intsony” izy, ka aleony maty? Inona no azonao atao?

Ampirisiho izy hitady olona hitantarany ny manjo azy. Lazao amin’ny olon-dehibe matotra avy eo fa te hamono tena izy. Ataovy foana izany, na dia efa tsy avelany hiteniteny amin’iza na iza aza ianao. Aza matahotra hoe tsy hinamana aminao intsony izy. ‘Tena sakaiza mamonjy amin’ny fahoriana’ ianao, raha tsy mangina amin’izao fotsiny. (Ohabolana 17:17) Mety hamonjy ny ain’ilay namanao mihitsy aza ianao!

Ary ahoana raha ianao mihitsy no te hamono tena? Izao no torohevitry ny Dr. McCoy: “Mitadiava olona azonao iresahana, dia olona tia anao, tsy mihevitra anao hoe mivazivazy, vonona hihaino anao, ary afaka mitantara ny mahazo anao amin’ny olon-kafa tianao. Miresaha, ohatra, amin’ny ray aman-dreny, na havana, namana, mpampianatra, na mpitondra fivavahana.”

Tsy ho voa mafy ianao, raha mitantara izay mahazo anao. Hisy vokany tsara kosa izany. Manaporofo izany ny tantaran’ilay lehilahy marina, atao hoe Joba. Nilaza izy indray mandeha hoe: “Maharikoriko ahy ny aiko.” Hoy anefa izy avy eo: “Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko.” (Joba 10:1) Kivy be i Joba, ary nila olona hiresahana momba izany. Ho maivamaivana koa àry ny fahorianao, raha tsy afeninao amin’ny namana atokisanao ilay izy.

Misy olon-kafa koa afaka manampy ny Kristianina kivy. Tsy iza izany fa ny anti-panahy. (Jakoba 5:14, 15) Marina aloha fa tsy hoe hilamina avy hatrany ilay olana, raha resahinao. Mety tsy ho kivy be intsony anefa ianao, rehefa avy mitantara an’ilay izy. Mety hahita torohevitra tsara homena anao koa ilay olona atokisanao.

Tsy maintsy hiova ilay izy

Izao no tadidio rehefa misy zavatra mampahory anao: Na mafy toy inona aza ilay izy, dia hiova ihany rehefa mandeha ny fotoana. Efa maro ny zavatra nampahory an’i Davida mpanao salamo, ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan-alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.” (Salamo 6:6) Hoy anefa izy tatỳ aoriana: “Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao.”—Salamo 30:11.

Hitan’i Davida avy tamin’ny zavatra niainany, fa tsy maintsy misy foana ny olana. Marina fa mila tsy ho zaka ny sasany, nefa mahareta. Tsy maintsy hiova ny fiainanao. Mety hahita vahaolana tsy noeritreretinao mihitsy, ohatra, ianao, ka hihamaivana ny fahorianao. Na mety hahita fomba hahazakana an’ilay izy ianao. Izao no ataovy ao an-tsaina: Tsy maintsy voavaha foana ny olana.—2 Korintianina 4:17.

Tena ilaina ny mivavaka

Mivavaha amin’Andriamanitra, satria izy no tena tokony hiresahanao. Azonao atao ny mivavaka toa an’i Davida hoe: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.”—Salamo 139:23, 24.

Tsy hoe manampy antsika hahazaka fahoriana fotsiny ny vavaka. Miresaka mivantana amin’ilay Rainao any an-danitra koa ianao, rehefa mivavaka. Mampirisika anao rahateo izy mba ‘handoatra ny fonao eo anatrehany.’ (Salamo 62:8) Ireto misy zavatra tsara ho fantatrao momba an’Andriamanitra:

▪ Fantany tsara ny antony mahatonga anao hijaly mafy na ho kivy be.—Salamo 103:14.

▪ Fantany tsara ny momba anao. Ianao aza mbola tsy mahalala izany noho izy.—1 Jaona 3:20.

▪ ‘Mikarakara anao izy.’—1 Petera 5:7.

▪ ‘Hofafany ny ranomasonao rehetra’, ao amin’ny tontolo vaovao.—Apokalypsy 21:4.

Ahoana raha noho ny aretina no mahatonga anao te ho faty?

Araka ny efa voaresaka teny aloha, dia maro ny olona te ho faty, noho ny aretina mahazo azy. Izany koa ve no mahatonga anao te hamono tena? Aza misalasala manatona dokotera. Nilaza i Jesosy fa mila dokotera ny marary. (Matio 9:12) Maro ny aretina azo tsaboina tsara. Mety tsy ho kivy be intsony koa ianao, rehefa mitsabo tena!

Mampanantena ny Baiboly fa tsy hisy hitaraina intsony ao amin’ny tontolo vaovao hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) Ataovy anefa izay hahazakanao ny aretinao, mandra-pahatongan’izany. Nanao izany i Heidi, ankizivavy alemà. Hoy izy: ‘Kivy be foana aho taloha, ary efa aretina ilay nahazo ahy. Mafy loatra ilay izy indraindray, ka te ho faty aho. Tsy dia maninona intsony anefa aho izao, satria mivavaka foana sady mitsabo tena.’ Manaova toa an’i Heidi koa, fa mety hihatsara ny fahasalamanao! *

Ary ahoana raha namono tena ny mpiray tam-po aminao? Ahoana no hahazakanao an’izany? Hisy lahatsoratra momba izany any aoriana

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

ERITRERETO IZAO:

▪ Misy milaza hoe tsy vahaolana ny mamono tena, satria ny olon-kafa indray no ho sahirana. Fa nahoana?

▪ Iza no azonao iresahana raha misy zavatra mampitebiteby mafy anao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Niteny zavatra nitovitovy tamin’ireo nolazain’i Jona ireo koa i Rebeka, Mosesy, Elia, ary Joba.—Genesisy 25:22; 27:46; Nomery 11:15; 1 Mpanjaka 19:4; Joba 3:21; 14:13.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 7 Tsara homarihina anefa fa tsy hoe mamono tena daholo akory ny tanora marary saina.

^ feh. 33 Raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ny fomba hahazakana fahakiviana ianao, dia jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Ampio Ireo Zatovo Ketraka”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2001.

[Efajoro/Sary, pejy 29]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Be dia be mihitsy ny ankizy mamono tena, any amin’ny tany sasany. Anisan’izany i Etazonia. Ny antony fahatelo tena mahafaty ny tanora amerikanina 15 ka hatramin’ny 25 taona, dia noho izy ireo mamono tena. Nitombo avo roa heny koa tato anatin’ireo 20 taona farany ny isan’ny ankizy amerikanina 10 ka hatramin’ny 14 taona, mamono tena. Inona no tena mahatonga ny tanora hanao izany? Marary saina ny sasany. Ny hafa indray efa nanandrana namono tena taloha, na efa nanana fianakaviana namono tena. Ireto misy fomba ahafantarana hoe mety hamono tena ny tanora iray:

▪ Tsy miresaka intsony amin’ny fianakaviany sy ny namany

▪ Lasa malain-komana na mazoto homana be. Tsy mahita tory na lasa matory be loatra

▪ Lasa tsy tiany intsony ny manao ny zavatra nahafinaritra azy taloha

▪ Miova be ny toetrany

▪ Mifoka rongony na misotro toaka be

▪ Zarazarainy amin’ny olona ny kilalao na zavatra hafa tsy foiny

▪ Miresaka momba ny fahafatesana foana, na tia resaka mifandray amin’izany

Nilaza ny Dr. McCoy hoe tena diso ny ray aman-dreny, raha tsy miraharaha an’ireo famantarana ireo. Hoy izy: ‘Tsy tantin’ny ray aman-dreny ny mieritreritra hoe mitady hamono tena ny zanany. Tsy mety mino an’izany àry ny sasany, ka miteny hoe: “Fomban’ny ankizy ihany ny kivikivy hoatr’izany e!”, na “Ho afaka ihany io e!”, na “Efa hafahafa kely hoatran’io mihitsy ny toetrany e!” Tsy tokony hieritreritra toy izany mihitsy isika. Tsy tokony hohamaivanintsika izay famantarana hafahafa rehetra.’

Aza misalasala manatona dokotera àry, raha kivy be foana ny zanakao, na lasa marary saina. Raha atahoranao hamono tena izy, dia anontanio raha mitady hanao izany tokoa. Diso ilay hoe vao mainka mampirisika an’ilay olona hamono tena ianao, raha manontanintany azy. Maro ny tanora mamboraka ny ao am-pony, rehefa anontanian’ny ray aman-dreniny. Raha miaiky ilay zanakao hoe te hamono tena, dia fantaro sao efa nitady tetika hanaovana izany izy. Efa maty paika tsara ve ilay tetika? Aza miandriandry intsony, fa mitadiava fomba hiarovana azy! *

Aza mieritreritra hoe ho afaka eny ihany ny hakivian’ny zanakao. Ary raha hoatran’ny afaka tokoa ilay izy, dia aza mihevitra hoe efa tsy atahorana hamono tena intsony izy. Misy manam-pahaizana milaza fa amin’izay indrindra ianao no tokony ho mailo. Nahoana? Hoy ihany ny Dr. McCoy: “Tsy mahavita mamono tena ny ankizy matetika, rehefa tena kivy be. Rehefa misinda ny hakiviany vao mety ho sahy hanao izany izy.”

Tena mampalahelo ny mahita tanora kivy, ka te hamono tena. Tokony hanampy azy avy hatrany ianareo ray aman-dreny na ny olon-dehibe hafa tia azy, raha vao mahatsikaritra fihetsika hafahafa eo aminy. ‘Manao teny mampahery ny kivy’ ianareo amin’izay, ka mety hamonjy ny ainy.—1 Tesalonianina 5:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 55 Milaza koa ny manam-pahaizana fa ny fianakaviana tia mitahiry fanafody no tena mila mitandrina. Mila mailo koa izay manana basy mora raisina sy efa misy bala. Hoy ny Fikambanana Amerikanina Miady Amin’ny Famonoan-tena, momba ny olona manana basy: ‘Voalaza fa te “hiaro ny fianakaviany” na “hiaro ny tenany” ny ankamaroan’izy ireny. Tsy ampiasaina amin’izany akory anefa ilay basy mazàna, fa hamonoan-tena, ary tsy ilay tompony no mampiasa azy, fa olon-kafa.’

[Sary, pejy 28]

Mivavaha amin’Andriamanitra, satria izy no tena tokony hiresahanao