Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famantaranandro Fahiny

Famantaranandro Fahiny

Famantaranandro Fahiny

● Toa tany Chine no voalohany nisy famantaranandro fahanana, 900 taona lasa izay. Maro ny fanatsarana natao tamin’ny famantaranandro, taorian’izay. Nisy fivoarana goavana tamin’ny 1650 tany ho any, rehefa nanomboka nampiasaina ny kapily. Lasa marina kokoa ny famantaranandro, noho izany, ary lasa nisy tahony manondro ny minitra. Mazava ho azy fa nila fitoerany matanjaka sy mitsangana tsara io fitaovana vaovao io, noho ilay kapiliny sy ireo fitaovana mavesatra be ao aminy. Lasa nalaza eran-tany io fitaovana lehibe io, ary nantsoina hoe famantaranandro. Nantsoin’ny manam-pahaizana momba ny famantaranandro hoe fitaovana “tena azo ianteherana sy mety tsara mba hamantarana fotoana” izy io.

Tany amin’ireo tanàn-dehibe tany Eoropa, toa an’i Londres sy Paris, ihany no nisy nanamboatra an’ireny famantaranandro sarobidy ireny, tamin’ny voalohany. Niparitaka tsikelikely nanerana an’i Eoropa anefa izany, ka samy nanatsara ny bikan’ny famantaranandrony ireo mpanamboatra tany amin’ny toerana samihafa. Nisy ny mahitsy, ny miolika, ny mahiahia, na ny ngezabe. Kesika, hazomainty, oaka, noaie, na karazana hazo mahabibo no nanaovana ny tranony, ary mety ho nasiana haingony na tsia. Lasa nalaza àry io famantaranandro io, noho izy marina tsara sady azo natao haingon-trano mihaja.

Misy antony hafa koa itiavan’ny olona an’ilay famantaranandro fahiny. Mitovy bika amin’ny olona ilay izy. Hoy i Sinikka Mäntylä, Failandey mpikaroka: “Mitovitovy habe amin’ny olona ilay izy, ary hoatran’ny mamoaka fihetseham-po ny endriny.” Toy ny fitepon’ny fo mihitsy aza ny fanenony. Famantaranandro maoderina indray izao no fampiasan’ny olona fa tsy ireny famantaranandro lehibe ireny intsony. Marina tsara ny famantaranandro maoderina sady tsy lafo. Mbola mampilamin-tsaina ihany anefa ny fananana famantaranandro lehibe, na dia amin’izao fiainana mirotoroto izao aza. Hoy ny boky iray momba ny famantaranandro: “Afaka mampitony ny fo sy saina koa ny famantaranandro lehibe maneno mitsitaitaika toa tsy maika, ary mahatonga antsika hahatsapa ny fiainana nilamina kokoa taloha.”

[Sary, pejy 19]

Famantaranandro taoriana kelin’ny 1800