MATOAN-DAHATSORATRA
Nahoana ny Fiteny no Tsy Vato Misakana Intsony?
“Misy milaza fa ny mandika teny no asa sarotra indrindra.” —“Ny Rakipahalalan’i Cambridge Momba ny Fiteny” (anglisy).
MIAINGA avy any amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York, Etazonia, ny lahatsoratra hadika. Ireto avy ny dingana arahiny: Dinihina tsara aloha hoe inona no lahatsoratra havoaka, karohina izay fanazavana hatao ao, izay vao soratana ilay izy. Hamarinina ilay fanazavana avy eo, ary jerena raha mety tsara sy tsy tranainy be ny teny ampiasaina. *
Alefan’ilay sampan-draharaha any amin’ireo ekipa mpandika teny an-jatony eran-tany ilay lahatsoratra aorian’izay. Amin’ny alalan’ny Internet no anaovany an’izany. Mipetraka sy miasa any amin’ireo toerana ampiasana an’ilay fiteny andikany ny ankamaroan’ny mpandika teny. Maro amin’izy ireo koa no mandika amin’ny fitenin-drazany. Tsy maintsy mahay tsara ny fiteniny àry izy ireo sady mahazo tsara ny teny anglisy.
Ahoana no ataon’ny mpandika teny rehefa mandika lahatsoratra?
Hoy i Geraint, mpandika teny any Grande-Bretagne: “Mpandika teny vitsivitsy izahay no ao anatin’ny ekipa iray, ka mila mahay miara-miasa. Mifanampy izahay rehefa misy teny sarotra. Tsy ny teny tsirairay ihany no dinihinay amin’izany, fa fitambaran-teny koa. Fantarinay tsara ny tena dikan’ilay izy, nefa koa eritreretinay foana hoe iza no karazan’olona hamaky an’ilay lahatsoratra.”
Inona no tanjonareo rehefa mandika teny?
“Tianay ny mpamaky raha mieritreritra hoe hoatran’ny nosoratana tamin’ny fitenin-drazany ilay lahatsoratra, fa tsy hita hoe nadika. Mampiasa fitenin’olona andavanandro izahay noho izany. Amin’izay ny mpamaky mba hankafy an’ilay lahatsoratra. Hoatran’ireny mihinana sakafo matsiro ireny e!”
Inona no mahatsara an’ilay hoe mipetraka any amin’ny toerana ampiasana an’ilay fiteny?
“Maheno olona mampiasa an’ilay fiteny izahay isan’andro. Mora azon’ny olona eo an-toerana ny zavatra adikanay, satria mifanerasera amin’izy ireo izahay. Azonay anontaniana azy ireo koa raha fampiasan’ny olona andavanandro ny teny ampiasainay, sady mora azo sy manintona. Manampy anay hampita tsara ny hevitry ny teny anglisy izany.”
Inona avy ny dingana arahina rehefa mandika teny?
“Omena zavatra hadika ny ekipa tsirairay. Samy mamaky an’ilay lahatsoratra amin’ny teny anglisy aloha izahay mba ho azonay tsara ilay izy. Jerenay koa ny firafitry ny lahatsoratra ary fantarinay hoe natao ho an’iza ilay izy. Eritreretinay hoe: ‘Inona no antony nanoratana an’ilay lahatsoratra? Inona no loha hevitra ao anatiny? Inona no hianaran’ny olona avy amin’izy io?’ Ilainay izany fanazavana izany rehefa tena mandika izahay.
“Mifanakalo hevitra izahay avy eo. Ataonay azo antoka hoe azonay tsara ilay lahatsoratra amin’ny teny anglisy. Iezahanay avoaka koa ilay fomba fanoratra ao amin’izy io. Amin’izay rehefa mamaky an’ilay lahatsoratra nadika ny mpamaky, dia mitovy amin’izay tsapan’ny mpamaky anglisy ihany ny tsapan’izy ireo.”
Ahoana ny fomba fiasanareo?
“Vakinay imbetsaka ny fehintsoratra voadika, mba ho azon’ny mpamaky avy hatrany ilay lahatsoratra.
“Mandika an’ilay fehintsoratra ny mpandika teny iray, ary samy mahita an’ilay izy ao amin’ny efijeriny ny hafa. Hamarininay hoe tsy misy hevitra latsaka na nampiana. Jerenay koa raha mora azo ilay izy, tsy misy diso tsipelina, ary manaraka fitsipi-pitenenana. Avy eo misy anankiray mamaky mafy an’ilay fehintsoratra. Raha vao tsy misosa tsara ny vakiteniny, dia jerena ny antony nahatonga an’izay. Averin’ny iray aminay
vakina indray ilay lahatsoratra manontolo rehefa voadika. Ny hafa kosa manamarika an’izay tokony hahitsy.”Hoatran’ny asa be izy izany a!
“Ie! Vizana izahay rehefa hariva ny andro. Ny ampitso indray àry vao averinay jerena ilay lahatsoratra, satria mba efa avy niala sasatra. Mandefa fanitsiana farany amin’ilay lahatsoratra amin’ny teny anglisy ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Vakinay indray àry ilay lahatsoratra, dia hamarininay farany.”
Inona ny programa ampiasainareo?
“Mbola tsy mahasolo mpandika teny aloha ny ordinatera hatreto. Fa namorona programa manamora an’ilay asa ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ny rakibolana iray. Ampidirina ao amin’izy io izay teny na fitambaran-teny fampiasa. Misy programa hafa indray ahafahana mikaroka an’izay zavatra efa voadika. Azo jerena ao hoe ahoana no efa nandikana ny teny sarotra sasany.”
Ahoana no fahitanareo ny asanareo?
“Hoatran’ny hoe manao fanomezana ho an’ny olona izahay rehefa mandika teny. Miezaka hanome zavatra tsara izahay mba hahasoa azy ireo. Faly izahay mieritreritra hoe mety hanohina ny fon’izy ireo ny lahatsoratra ao anaty gazety na amin’ny Internet, ary mety hanatsara ny fiainany.”
Mahasoa foana ireo zavatra voadika
Olona an-jatony tapitrisa, eran-tany, no mandray soa avy amin’ireo zavatra vokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteniny. Avy ao amin’ny Baiboly ny torohevitra mahasoa hita ao amin’ny tranonkala jw.org sy ao amin’ireo boky sy video avoakanay. Efa nilaza koa Andriamanitra, izay antsoina hoe Jehovah, fa tiany hahalala ny hafatra ao amin’io boky masina io ny ‘firenena sy foko ary olona samy hafa fiteny.’—Apokalypsy 14:6. *
^ feh. 4 Soratana amin’ny teny anglisy ny lahatsoratra hadika.
^ feh. 25 Midira ao amin’ny www.pr2711.com/mg raha tianao ny hahita boky, gazety, video, ary hihaino raki-peo amin’ny fiteninao sy amin’ny fiteny hafa an-jatony.