Olana Eran-tany ny Aretin-tsaina
“Somary miady saina foana aho, na dia rehefa mipetra-potsiny ao an-trano aza.”
“Mahimahina aho raha vao mahatsiaro hoe faly loatra. Efa azoko an-tsaina mantsy hoe ho kivy be aho izao aorian’izay.”
“Miezaka aho hoe ny androany ihany aloha no hatrehiko. Tsy vita anefa izany raha eritreretiko daholo koa ny olana efa lasa sy ny mbola hoavy.”
Azonao ve ny fihetseham-pon’ireo olona tratran’ny aretin-tsaina ireo? Sa izany mihitsy no manjo anao na ny olona akaiky anao?
Matokia fa tsy ianao irery no hoatr’izany. Betsaka mantsy amin’izao no manana olana ara-tsaina, na misy olona akaiky azy tratran’izany.
Tena miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” isika izao, ka betsaka ny adin-tsaina aterak’izany. (2 Timoty 3:1) Noresahin’ny fanadihadiana iray hoe olona iray ao anatin’ny valo eo ho eo eran-tany no mikorontan-tsaina. Nitombo aza izany vokatry ny COVID-19 tamin’ny 2020. Niampy 78 tapitrisa eo ho eo mantsy ireo mitebiteby be sy kivy be foana.
Tsy ny antontan’isa loatra anefa no mamaritra hoe salama tsara ve ny sainao sy ny sain’ny olona akaiky anao, fa izay tsapanao sy izay tsapan’izy ireo ary ny vokatr’izany eo amin’ny fiainanareo.
Ny fahasalaman’ny saina:
Salama saina ny olona iray raha mahazo aina tsara sy mahavita an’izay tokony hataony. Mahavita miatrika ny adin-tsaina mpahazo ny ankamaroan’ny olona izy, miasa tsara, ary afa-po amin’ny fiainana.
Ny fikorontanan-tsaina...
-
DIA TSY vokatry ny fahadisoana natao taloha na hoe marefo ilay olona.
-
DIA aretina mahatonga ny olona iray hiady saina be, tsy hisaina tsara, ary tsy hahafehy ny fihetseham-pony sy ny fihetsiny.
-
dia mety hahatonga ny olona iray tsy hifandray tsara amin’ny hafa, sy tsy hahavita hiatrika ny fiainany andavanandro.
-
dia mety hahazo ny olona rehetra, na firy taona izy na firy taona, na inona na inona kolontsainy, fiaviany, foko misy azy, fivavahany, fianarana vitany, ary na be karama izy na tsia.
Fanampiana ho an’izay tratran’ny aretin-tsaina
Miova tampoka indraindray ny maha izy ny olona iray, na izy lasa tsy ampy torimaso na matory be loatra, malain-komana na mahery misakafo be, na mitebiteby be na kivy mandritra ny fotoana elaela. Izany ve no mahazo anao na ny olona akaiky anao? Raha izany, dia tsara ny manatona manam-pahaizana mba hamantarana sy hitsaboana an’izay tena mahatonga an’ilay izy. Aiza anefa no hangataka fanampiana?
Izao no nolazain’i Jesosy Kristy, ilay lehilahy hendry indrindra hatramin’izay: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.” (Matio 9:12) Narary mafy ny olona sasany nefa nahazo fitsaboana sy fanafody mety tsara. Mihena àry ny soritr’aretiny, ka mahavita miasa tsara sy faly amin’ny fiainana izy. Tsy tokony hangataka andro hitsabo tena ny olona hoatr’izany raha misy soritr’aretina lehibe na maharitra. a
Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly. Manampy ny saintsika ho salama anefa izay voalaza ao. Manasa anao amim-pitiavana àry izahay mba handinika ny lahatsoratra manaraka. Horesahina ao amin’izy ireo hoe ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hiatrika ny aretin-tsaina.
a Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana Ny Tilikambo Fiambenana. Ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra, ka handinika tsara rehefa hifidy izay fitsaboana arahiny.