Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?

Nanontany an’i Jesosy ny sasany tamin’ny mpanara-dia azy hoe rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no hanomboka hitondra. Namaly izy fa tsy ho fantatr’izy ireo hoe rahoviana marina izy io no hitondra ny tany. (Asan’ny Apostoly 1:6, 7) Efa nilaza zavatra maromaro hitranga anefa i Jesosy talohan’izay. Nilaza izy hoe rehefa miara-mitranga izy ireny, dia ho fantatry ny mpanara-dia azy fa efa “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” Ho fantatr’izy ireo koa hoe efa hitondra ny tany ilay Fanjakana.​—Lioka 21:31.

INONA NO FAMANTARANA NOLAZAIN’I JESOSY?

Nilaza i Jesosy hoe: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.” (Lioka 21:10, 11) Efa mitranga daholo ireo, sady maneran-tany mihitsy. Manaporofo an’izany ireto:

1. ADY

Nipoaka ny ady lehibe voalohany tamin’ny 1914, ary mbola tsy nisy hoatr’azy io mihitsy talohan’izay. Nilaza ny mpahay tantara fa niova be ny fiainana nanomboka teo. Tamin’io ady io vao nampiasaina tany amin’ny firenena maro ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Anisan’izany ny tanky, baomba alatsaky ny fiaramanidina, ary gazy mahafaty. Nipoaka indray ny ady lehibe faharoa taorian’izay, ary tamin’io no nampiasaina voalohany ny fitaovam-piadiana niokleary. Nisy ady foana tany amin’ny toerana maro nanomboka tamin’ny 1914, ka olona an-tapitrisany no maty.

2. HOROHORON-TANY

Manazava ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa horohoron-tany 100 eo ho eo isan-taona no mahavita mandrava trano. Izao koa no nolazain’ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany: “Rehefa jerena ny antontan’isa (nanomboka tamin’ny 1900 tany ho any), dia azo inoana fa hisy horohoron-tany lehibe 16 eo ho eo isan-taona.” Misy milaza fa mora fantatra izao rehefa misy horohoron-tany mitranga, ka izany no mahatonga an’ilay izy hoatran’ny hoe mihabetsaka. Mbola tsy be dia be hoatran’ny amin’izao mihitsy anefa ny olona mijaly sy maty noho ny horohoron-tany.

3. MOSARY

Inona matetika no mahatonga ny mosary? Eo, ohatra, ny ady, kolikoly, ary olana ara-toe-karena. Mety hoe kely koa ny vokatra miakatra na tsy misy mihitsy. “Olona 821 tapitrisa no tsy ampy sakafo eran-tany, ary tsy manan-kohanina mihitsy ny 124 tapitrisa amin’ireo.” Izany no tatitra nataon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo Eran-tany, tamin’ny 2018. Voalaza koa fa ankizy iray hetsy sy telo tapitrisa eo ho eo no maty isan-taona, satria tsy ampy sakafo. Efa ho ny antsasaky ny ankizy maty tamin’ny 2011 no maty noho ny tsy fahampian-tsakafo.

4. ARETINA

Izao no nolazain’ny lahatsoratra iray navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana: “Efa be dia be sahady ny areti-mifindra niseho tamin’ity taonjato faha-21 ity. Miverina ireo aretina taloha toy ny kôlerà, pesta, ary tazovony. Misy aretina vaovao mipoitra koa, anisan’izany ny pnemonia atipìka, Ebola, Zika, ary ireo karazana gripa mahery.” Ny valanaretina COVID-19 izao no nitranga farany teo. Lasa mahafantatra zavatra betsaka kokoa momba ny aretina izao ny dokotera sy ny mpahay siansa. Na izany aza, dia betsaka ny aretina mbola tsy nahitan’izy ireo fanafodiny.

5. FITORIANA MANERAN-TANY

Nilaza famantarana iray hafa koa i Jesosy. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Na dia be dia be aza ny olana eto amin’ity tontolo ity, dia olona valo tapitrisa mahery avy amin’ny firenena rehetra no mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mitory any amin’ny tany 240 izy ireo, ary mampiasa fiteny 1 000 mahery. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay.

INONA NO DIKAN’IRENY FAMANTARANA IRENY?

Efa tanteraka amin’izao ireo famantarana noresahin’i Jesosy. Nahoana izany no tokony hahaliana antsika? Satria nilaza i Jesosy hoe: “Rehefa hitanareo ... fa mitranga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.”​—Lioka 21:31.

Tsy ho ela dia hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany ilay Fanjakana

Ireny famantarana nolazain’i Jesosy ireny no ahafantarantsika fa tamin’ny 1914 a Andriamanitra no nanorina an’ilay Fanjakany any an-danitra. Manaporofo an’izany koa ny fanisan-taona ao amin’ny Baiboly. Tamin’io taona io Andriamanitra no nanome fahefana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka. (Salamo 2:2, 4, 6-9) Tsy ho ela dia hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hesoriny ny fitondran’olombelona rehetra. Hataony paradisa koa ny tany, ary hiaina mandrakizay ao ny olombelona.

Tsy ho ela dia ho tanteraka ilay vavaka nampianarin’i Jesosy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Hitantsika teo hoe tamin’ny 1914 io Fanjakana io no nanomboka nitondra tany an-danitra. Inona no zava-bitan’izy io nanomboka tamin’izay? Inona no azontsika antenaina rehefa hitondra ny olombelona rehetra izy io?

a Te hahita fanazavana bebe kokoa momba an’io taona 1914 io ve ianao? Jereo ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona 32 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io.