Afaka Mifindra any Amin’izay Ilana Mpitory Maro Kokoa ve Ianao?
Afaka Mifindra any Amin’izay Ilana Mpitory Maro Kokoa ve Ianao?
“Niadana izahay tany Etazonia. Natahoranay anefa sao ho variana mikatsaka harena izahay sy ny zanakay roa lahy. Efa misionera izahay mivady taloha. Tsotra nefa nahafinaritra ny fiainanay tamin’izany, ka tianay haverina indray.”
TE HANOMPO tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa i Ralph sy Pam, ka nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana maromaro, tamin’ny 1991. Namaly ny biraon’ny sampan’i Meksika, fa izay afaka mitory amin’ireo olona miteny anglisy mipetraka any no ilaina maika. “Efa masaka hojinjaina ny vokatra” ao amin’io saha io, hoy ilay biraon’ny sampana. (Jaona 4:35) Niomana hifindra avy hatrany tany Meksika àry i Ralph sy Pam mbamin’ny zanany roa lahy, 8 sy 12 taona.
Faritany midadasika
Hoy i Ralph: “Talohan’ny nialanay tany Etazonia, dia nilaza taminay ireo rahalahy sy anabavy be fiahiana hoe: ‘Mampidi-doza anie ny mifindra any an-tany hafa e!’ ‘Ahoana raha marary any ianareo?’ ‘Hifindra ihany ve ianareo, dia any amin’ny faritany miteny anglisy? Tsy ho liana amin’ny fahamarinana ireny olona ireny!’ Efa tapa-kevitra anefa izahay. Sady tsy hoe fanapahan-kevitra maimaika ilay izy. Efa an-taonany maro no niomananay. Tsy nidi-trosa be izahay, sady nanangom-bola. Efa niarahanay nidinika tsara koa ny olana mety hitranga.”
Nitsidika ny sampan’i Meksika aloha ry Ralph mianakavy, ary naseho azy ny sarintanin’i Meksika. Hoy ireo rahalahy tamin’izy ireo: “Io ny faritaninareo!” Nipetraka tao San Miguel de Allende àry ry Ralph. Tokotokony ho 240 kilaometatra any avaratrandrefan’i Mexico no misy azy io, ary feno vahiny tao. Lasa nisy fiangonana miteny anglisy nanana mpitory 19 tao, telo taona taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Io no fiangonana voalohany miteny anglisy tany Meksika. Mbola tsy vita anefa ny asa.
Iray tapitrisa eo ho eo ny Amerikanina mipetraka any Meksika. Maro koa ny Meksikanina miteny anglisy. Mpiasa ambony sy mpianatra izy ireo. Hoy i Ralph: “Nivavaka izahay mba hisy mpitory maro kokoa hanampy anay. Nasianay efitra malalaka foana àry tao aminay, mba hipetrahan’ireo rahalahy sy anabavy tonga ‘hijery taratra ny tany.’ ”—Nom. 13:2.
Nanatsotra ny fiainany izy ireo mba hanitarana ny fanompoany
Tsy ela dia rahalahy sy anabavy maro no tonga tany Meksika, mba hanitatra ny fanompoany. Anisan’ireny i Bill sy Kathy, avy any Etazonia. Efa nanompo 25 taona tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa izy ireo. Saika hianatra teny espaniola izy mivady, saingy niova hevitra rehefa nifindra tany Ajijic, eo amoron’ny Farihy Chapala. Be Amerikanina misotro ronono mantsy any. Hoy i Bill: “Nifantoka kokoa tamin’ireo olona miteny anglisy te hianatra ny fahamarinana izahay tao Ajijic.” Faly i Bill sy Kathy fa lasa nisy fiangonana miteny anglisy tao, roa taona taorian’ny nahatongavany. Io no fiangonana faharoa miteny anglisy tany Meksika.
Nanatsotra ny fiainany i Ken sy Joanne avy any Kanada, mba hitoriana bebe kokoa. Nifindra tany Meksika koa izy ireo sy Britanny, zanany vavy. Hoy i Ken: “Elaela izahay vao zatra tamin’ilay fiainana. Tsy nisy rano mafana sy jiro mantsy tany, ary mahalana vao nandeha ny telefaonina.” Nahafaly azy ireo anefa ny fitoriana. Tsy ela dia voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana i Ken, ary lasa anti-panahy, roa taona tatỳ aoriana. Vitsy ny tanora tao amin’ilay fiangonana kely miteny anglisy, ka tsy mora tamin’i Britanny izany tamin’ny voalohany. Nahazo namana tsara maro nanerana an’i Meksika anefa izy, rehefa nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana.
Avy any Texas, any Etazonia i Patrick sy Roxanne. Faly be izy ireo rehefa nahare fa misy faritany mila mpitory maro kokoa tsy lavitra an’i Texas, ary misy olona miteny anglisy any. Hoy i Patrick: “Nitsidika ny tanànan’i Monterrey, any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Meksika izahay. Tsapanay taorian’izay fa notarihin’i Jehovah hifindra tany izahay.” Afaka nivarotra ny tranony sy nifindra tany Monterrey izy ireo, tao anatin’ny dimy andro. Tsy mora ny namelon-tena tany Meksika. Faly anefa i Patrick sy Roxanne satria roa taona monja tatỳ aoriana, dia lasa fiangonana nisy mpitory 40 ny antoko-mpitory iray nisy Vavolombelona 17.
Nanatsotra ny fiainany koa i Jeff sy Deb, mba hanitarana ny fanompoany. Namidin’izy ireo ny trano lehibe nananany tany Etazonia, ary lasa izy nifindra tao amin’ny trano kely iray tany Cancún, any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Meksika. Nahazatra azy ireo ny nanatrika fivoriambe teo akaikin’ny tranony sy tao anaty trano nisy fampangatsiahana rivotra. Tsy maintsy mandeha adiny valo kosa izy ireo izao, mba hanatrehana ny fivoriambe amin’ny teny anglisy akaiky indrindra, sady amin’izay indray eny an-kalamanjana! Tena faly anefa izy ireo, satria lasa nisy fiangonana nanana mpitory 50 teo ho eo tany Cancún.
Misy rahalahy sy anabavy meksikanina koa manampy an’ireo mitory amin’ny teny anglisy. Anisan’ireny i Rubén sy ny fianakaviany. Nanampy avy hatrany izy ireo, rehefa
naheno fa lasa nisy fiangonana miteny anglisy tany San Miguel de Allende, ary i Meksika iray manontolo no faritany. Tsy maintsy nianatra teny anglisy sy kolontsaina hafa izy ireo. Tsy maintsy nanao dia 800 kilaometatra isan-kerinandro koa izy ireo, mba hanatrehana fivoriana. Hoy anefa i Rubén: “Faly izahay mitory amin’ireo vahiny. Efa an-taonany maro izy ireo no teto Meksika, nefa izay vao nandre ny vaovao tsara tamin’ny fiteniny. Misy aza mitomany mihitsy, satria faly loatra.” Rehefa avy nanampy ny fiangonana tany San Miguel de Allende i Rubén sy ny fianakaviany, dia nanao mpisava lalana tao Guanajuato, any Meksika afovoany. Lasa nisy fiangonana nanana mpitory 30 mahery tao, ary nanampy tamin’izany izy ireo. Miara-manompo amin’ny antoko-mpitory miteny anglisy ao Irapuato, akaikin’i Guanajuato izy ireo izao.Mitory any amin’ny faritra manankarena
Meksikanina maro no miteny anglisy, ankoatra an’ireo vahiny. Matetika no sarotra ny mitory amin’izy ireo. Mipetraka any amin’ny faritra manankarena mantsy izy ireo, ka mpiasa an-trano foana no mamoha varavarana. Raha sendra mamoha varavarana ny tompon-trano, dia tsy mihaino ny hafatra izy. Mihevitra mantsy izy fa sekta kely eo an-toerana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mihaino anefa ny sasany, rehefa Vavolombelona vahiny no miresaka aminy.
Diniho ny ohatr’i Gloria, mipetraka ao Querétaro, any Meksika afovoany. Hoy izy:
“Efa nisy Vavolombelona espaniola niresaka tamiko, fa tsy nihaino aho. Lasa nanana olana anefa ny havako sy ny namako. Kivy aho ka nivavaka tamin’Andriamanitra, ary nitalaho taminy mba hanampy ahy. Tsy ela dia nisy vehivavy niteny anglisy nandondòna tao an-trano. Nanontany izy raha nisy olona nahay niteny anglisy tao aminay. Te hahafantatra ny momba azy aho satria vahiny izy. Nolazaiko àry fa nahay anglisy aho. Rehefa niteny izy, dia nieritreritra aho hoe: ‘Fa inona koa àry no ataon’ity Amerikanina ity etỳ amin’ny manodidina etỳ?’ Efa nangataka famantarana tamin’Andriamanitra anefa aho. Azo inoana àry fa valin’ny vavaka nataoko ny fahatongavan’io vehivavy vahiny io.” Nanaiky hianatra Baiboly i Gloria, ary vetivety dia natao batisa, na dia nanohitra aza ny havany. Mpisava lalana maharitra izy izao. Manompo an’i Jehovah koa ny vady aman-janany.Mandray soa ireo manitatra ny fanompoany
Marina fa misetra zava-tsarotra ianao rehefa mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Maro koa anefa ny soa raisinao. Hoy i Ralph, voalaza terỳ aloha: “Nampianatra Baiboly olona avy any Chine, Grande-Bretagne, Jamaika, ary Soeda izahay. Nisy olona ambony avy any Ghana koa aza nampianarinay. Nisy tamin’ireo mpianatra Baiboly ireo lasa mpitory manontolo andro. Fito ny fiangonana miteny anglisy hitanay niforona, nandritra ireo taona lasa. Niara-nanao mpisava lalana taminay mivady ny zanakay roa lahy. Manompo ao amin’ny Betelan’i Etazonia izy ireo izao.”
Miisa 88 izao ny fiangonana miteny anglisy any Meksika, ary misy antoko-mpitory be dia be. Inona no nahatonga izany fitomboana haingana izany? Olona maro miteny anglisy izay mipetraka any Meksika no mbola tsy niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Ny hafa indray mihaino tsara satria lavitra ny havany sy ny namany, izay mety ho nanohitra azy raha tany amin’ny taniny izy. Misy koa manaiky hianatra Baiboly satria efa misotro ronono, ka manam-potoana kokoa. Ankoatra izany, dia maherin’ny ampahatelon’ny mpitory ao amin’ireo fiangonana miteny anglisy no mpisava lalana. Lasa be zotom-po àry ny mpitory sady mitombo ny fiangonana.
Hotahina ianao
Azo antoka fa maro eran-tany no hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, rehefa itoriana amin’ny fiteniny. Mampahery àry ny mahita rahalahy sy anabavy maro matahotra an’Andriamanitra, vonona hifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Misy amin’izy ireo tanora, antitra, mpitovo, na manambady. Marina fa mahita zava-tsarotra izy ireo. Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’ny fifaliana tsapany rehefa mahita olona liana amin’ny fahamarinana. Mety ho afaka hanao fanovana eo amin’ny fiainanao ve ianao, mba hanompoana any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, ao amin’ny tany misy anao na any an-tany hafa? * (Lioka 14:28-30; 1 Kor. 16:9) Hahazo fitahiana maro ianao raha manao izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 21 Raha mila fanazavana fanampiny momba izany ianao, dia jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 111-112.
[Efajoro, pejy 21]
Efa Misotro Ronono Nefa Sambatra
Avy any Grande-Bretagne i Beryl, ary nifindra tany Kanada. Mpitantana orinasa io vehivavy io, ary efa niasa tamin’ny orinasa iraisam-pirenena maromaro. Lasa mpitaingin-tsoavaly malaza koa izy, ary nisolo tena an’i Kanada nandritra ny lalao Olympika tamin’ny 1980. Nifindra tany Chapala, any Meksika, i Beryl sy ny vadiny rehefa nisotro ronono. Matetika izy ireo no nisakafo tany amin’ny hotely. Nahita olona miteny anglisy efa misotro ronono izy ireo tany. Voamarik’i Beryl fa hoatran’ny sambatra erỳ ny sasany tamin’izy ireny ka nohatoniny, ary nanontaniany hoe inona no ataony any Meksika. Saiky Vavolombelon’i Jehovah daholo ireo olona sambatra ireo. Nieritreritra àry i Beryl sy ny vadiny hoe raha ny fahafantarana an’Andriamanitra no mahasambatra sy mampisy heviny ny fiainana, dia mba te hahafantatra azy koa izy ireo. Nanatrika fivoriana nandritra ny volana maromaro i Beryl, vao nanaiky hianatra Baiboly, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Mpisava lalana maharitra nandritra ny taona maro izy, tatỳ aoriana.
[Efajoro, pejy 22]
“Fitahiana ho Anay ny Manana Azy Ireo”
Tena ankasitrahan’ireo rahalahy eo an-toerana ireo mpitory avy any ivelany tonga manampy azy. Hoy ny biraon’ny sampana iray any Karaiba: “Raha voatery miala eto ireo vahiny an-jatony manompo eto, dia hisy vokany eo amin’ny fiangonana izany. Fitahiana ho anay ny manana azy ireo.”
Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.” (Sal. 68:11) Tsy mahagaga àry raha maro ny anabavy mpitovo manompo any an-tany hafa. Tena manampy ireo anabavy be fandavan-tena ireo. Hoy ny biraon’ny sampana iray any Eoropa Atsinanana: “Be dia be ny anabavy eo anivon’ny fiangonana. Efa ho ny telo ampahefatry ny mpivory izy ireo indraindray. Vaovao ao amin’ny fahamarinana ny ankamaroany. Mampiofana azy ireny anefa ireo anabavy mpitovo mpisava lalana avy any an-tany hafa. Tsy hay tombanana ny fanampian’izy ireo, ary tena tombontsoa ho anay ny manana azy!”
Inona no tsapan’ireo anabavy mpitovo manompo any an-tany hafa ireo? Mpisava lalana tany an-tany hafa efa an-taonany maro i Angelica, 35 taona eo ho eo. Hoy izy: “Be dia be ny zava-tsarotra tany amin’ny tany iray nanendrena ahy. Voatery nandeha tao anaty fotaka aho isan’andro, ary kivy nahita olona nijaly. Afa-po anefa aho nanampy ny olona hitako teny amin’ny fanompoana. Nanohina ny foko koa ny tenim-pankasitrahana nataon’ireo rahavavy teo an-toerana. Matetika izy ireo no nisaotra ahy, noho izaho tonga nanampy azy. Nilaza tamiko ny rahavavy iray fa lasa nanompo manontolo andro koa izy, noho izaho nifindra tany amin’ny tany nisy azy.”
Hoy i Sue mpisava lalana, izay 50 taona mahery kely: “Tsy maintsy misy ny olana, nefa tsy misy dikany ireny raha oharina amin’ny fitahiana azo. Tena mahafaly ny fanompoana! Mandany fotoana be iarahana amin’ireo rahavavy tanora aho. Lazaiko amin’izy ireo àry izay nianarako tao amin’ny Baiboly sy ireo boky aman-gazetintsika mahakasika ny fomba hiatrehana olana. Matetika izy ireo no milaza amiko fa ny fiaretako teo amin’ny fanompoana amin’ny maha mpitovo ahy, dia manampy azy ireo hahatakatra fa afaka mandresy zava-tsarotra koa izy ireo. Tena afa-po aho rehefa nanampy an’ireo rahavavy ireo.”
[Sarintany, pejy 20]
(Jereo ny gazety)
MEKSIKA
Monterrey
Guanajuato
Irapuato
Ajijic
Chapala
Farihy Chapala
San Miguel de Allende
Querétaro
MEXICO
Cancún
[Sary, pejy 23]
Mahafaly ny mitory amin’ireo vahiny izay sambany vao nandre ny vaovao tsara