Te Hitovy Tamin’ny Zanakavavin’i Jefta Aho
Te Hitovy Tamin’ny Zanakavavin’i Jefta Aho
Notantarain’i Joanna Soans
Ny hitovy amin’ny zanakavavin’i Jefta no mba tena tiako tamin’izaho mbola kelikely. Aleo hotantaraiko hoe inona no antony, ary ahoana no nahatonga ahy ho lasa hoatr’azy ihany tamin’ny farany.
NANATRIKA fivoriambe voalohany tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ Bombay (Mumbai ankehitriny), eto Inde aho, tamin’ny 1956. Nanova be ny fiainako izany. Tena tiako be ilay lahateny momba ny zanakavavin’i Jefta reko tany.
Mety ho efa novakinao tao amin’ny Baiboly ny tantaran’ny zanakavavin’i Jefta. Nanao voady i Jefta, ka nanampy azy hanefa ny voadiny io zanany io rehefa nanaiky tsy hanambady nandritra ny androm-piainany. Toa mbola tovovavy io zanany io tamin’izay. Nanompo tao an-tranon’i Jehovah na tranolay masina mandra-pahafatiny àry izy io, ary tsy nanambady mihitsy.—Mpitsara 11:28-40.
Tena tiako be mihitsy tamin’izany raha lasa hoatr’azy aho. Nisy olana be anefa. Tsy fomba mihitsy taloha izany hoe tsy manambady izany taminay Karàna.
Ny fianakaviako
Enina mianadahy izahay no naterak’i Benjamin sy Marcelina Soans ary izaho no fahadimy. Tany Udipi, tanàna iray any amin’ny morontsiraka andrefan’i Inde izahay no teraka. Tulu no fiteninay ary misy roa tapitrisa eo ho eo ny olona miteny an’io fiteny io. Kannada anefa no fiteny nampianarana ny ankamaroanay mponina tany Udipi, tany an-tsekoly.
Tena zava-dehibe tamin’ny mponina any ny manambady sy miteraka. Tsy mbola nandre olona niteny hoe “mpitovo” na “manirery” na “manina” tamin’ny teny tulu izany mihitsy aho. Hoatran’ny hoe tsy mba misy olona toy izany mihitsy any ho any. Raha izahay fotsiny, ohatra, dia tena maro an-trano satria miara-mipetraka aminay ny dadabe sy bebenay, dadatoa sy nenitoanay, ary ny 12 amin’ny zanaky ny iray tam-po amin’i dadanay sy mamanay.
Mitondra ny anaran’ny reny ny zanaka, amin’ny kolontsainay, ka ny zanaka vavy no mahazo anjara lova betsaka kokoa. Tany amin’ny faritra sasany miteny tulu aza, dia mbola niara-nipetraka tamin’ny reniny ihany ny ankizivavy manambady, ka ny lehilahy indray no nanara-bady.
Lasa anisan’ny fivavahana kristianina iray ny fianakavianay ka somary niavaka. Nanao fotoam-pivavahana sy nivavaka ary namaky Baiboly izahay isak’alina, ka ny dadabenay no nitarika. Baiboly amin’ny fiteny tulu no nampiasainy ary novakiny mafy be izany. Hoatran’ireny hoe hanokatra boaty feno firavaka ireny izy isaky ny hanokatra an’ilay Baiboly efa tonta kely. Tena nahafinaritra erỳ ireny fotoana ireny! Tiako be ny Salamo 23:1, hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.” Nieritreritra aho hoe: ‘Mba iza àry izany Jehovah izany, ary maninona izy no antsoina hoe mpiandry?’
Toy ny nisy “kiran-trondro” niala tamin’ny masoko
Nitotongana be ny toe-karena taorian’ny Ady Lehibe II, ka nifindra tatỳ Bombay izahay. Maherin’ny 900 kilaometatra miala avy eo Udipi izy io. Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nitsidika an’i Dada, tamin’ny 1945. Nomen’izy ireo bokikely ara-baiboly iray izy tamin’izay. Tonga dia novakin’i Dada ilay bokikely. Toy ireny tany karakaina nitroka ranonorana ireny izy, ka tonga dia nekeny izay voalaza tao. Notantarainy tamin’ny olona miteny kannada koa avy eo izay novakiny
tao. Lasa nisy antokon’olona vitsivitsy niara-nianatra Baiboly, tamin’ny voalohandohan’ny taona 1950. Io avy eo no lasa fiangonana voalohany miteny kannada tatỳ Bombay.Nampianatra anay ankizy mba ho lasa mpianatra Baiboly mazoto sy ho mpampianatra mahay i Dada sy Neny. Nahita fotoana hivavahana sy hianarana niaraka taminay foana ry zareo isan’andro. (Deoteronomia 6:6, 7; 2 Timoty 3:14-16) Namaky Baiboly aho indray andro izay. Toy ny nisy kiran-trondro niala tamin’ny masoko. Fantatro amin’izay mantsy fa mitarika sy manome sakafo ary miaro ny vahoakany i Jehovah, ka izay no antony iantsoana azy hoe mpiandry.—Salamo 23:1-6; 83:18.
Nitantana ahy i Jehovah
Natao batisa aho taoriana kelin’ilay fivoriambe tatỳ Bombay tamin’ny 1956. Lasa mpitory manontolo andro toa an’i Prabhakar, zokiko lahy, aho enim-bolana taorian’izay. Tena tia miresaka ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona aho, kanefa isaky ny hiteny aho dia hoatran’ny kendakenda. Niakanakana aho sady nangovitra be. Hoy aho anakampo hoe: ‘Tsy ho vitako ity raha tsy ampian’i Jehovah aho!’
Nanampy ahy tokoa i Jehovah. Nisy mpivady misionera atao hoe Homer sy Ruth McKay tonga avy any Kanada. Efa nanao sekolin’ny misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York any Etazonia izy ireo, tamin’ny 1947. Toy ny hoe nitantana ahy izy ireo, satria toy ny zaza vao miana-mandeha mihitsy aho tamin’izaho nanomboka nitory. Niara-nanao fanazaran-tena amin’ny fitoriana isan-trano foana izahay sy Ruth. Hainy tsara mihitsy ny nampitony ahy rehefa nitory. Notazoniny ny tanako rehefa nangovitra, sady hoy izy: “Aza matahotra retsy a! Andao handramantsika hatao irỳ manaraka irỳ!” Tena nanome toky ahy ny fomba nitenenany an’izany ka tsy dia nangovitra intsony aho.
Nilazana aho indray andro hoe i Elizabeth Chakranarayan indray no ho namako. Tena nahay nampianatra Baiboly izy, saingy efa somary bebe taona. Tonga dia izao no tato an-tsaiko tamin’izay: ‘Ahoana re no fomba hiarahako amin’izany rahavavy izany e? Efa be taona loatra izy raha oharina amiko!’ Tsapako anefa tatỳ aoriana hoe soa ihany fa izy no namako.
“Tsy irery mihitsy isika”
Tany Aurangabad, toerana iray manan-tantara, 400 kilaometatra any atsinanan’i Bombay, no nanendrena anay voalohany. Tonga dia fantatray avy eo hoe hay izahay roa irery no Vavolombelona tao amin’io tanàna nisy mponina efa ho iray tapitrisa io. Amin’io mbola tsy maintsy nianatra teny marathe koa aho, satria izany no fiteny fampiasan’ny olona tany.
Tena nahatsiaro ho irery aho indraindray, ka nifokofoko nitomany hoatr’ireny zaza very reny ireny. Nampahery ahy toy ny reny anefa i Elizabeth. Hoy foana izy tamiko: “Mety hahatsiaro ho irery isika indraindray, kanefa tsy irery mihitsy isika. Eo akaikinao foana mantsy i Jehovah, na dia lavitra ny namanao sy ny havanao aza ianao. Ataovy namana izy dia hisinda ny alahelonao ka tsy hahatsiaro ho irery intsony ianao.” Tadidiko foana izany hatramin’izao.
Rehefa tsy dia nanam-bola atao saran-dalana izahay, dia nandeha an-tongotra 20 kilaometatra isan’andro, na nafana ny andro na ririnina, ary na namovoka be ny lalana na namotaka. Matetika no mahatratra 40 degre ny hafanana amin’ny vanin-taona mafana. Faritra maro kosa no mamotaka be mandritra ny volana maro rehefa fotoanan’ny orana. Ny kolontsaina tany anefa no tena nanahirana anay kokoa noho ny toetrandro.
Tsy miresaka amin’ny lehilahy eny imason’olona izany mihitsy ny vehivavy, raha tsy hoe mpihavana angaha ry zareo. Tsy tena fanao koa ny hoe vehivavy no mampianatra lehilahy. Naneso sy nanompa anay àry ny olona. Izahay roa irery no nanatrika ny fivoriana ara-baiboly isan-kerinandro
nandritra ny enim-bolana voalohany. Tatỳ aoriana vao nisy olon-kafa tonga, ka vetivety dia nisy antokon’olona vitsivitsy niforona. Nisy aza nitory niaraka taminay mihitsy.“Ampitomboy foana ny fahaizanao”
Notendrena ho atỳ Bombay indray izahay, roa taona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana. Nanohy nitory i Elizabeth, fa izaho kosa nasaina nanampy an’i Dada handika teny, satria izy irery tamin’izany no mpandika ny boky sy gazetintsika amin’ny teny kannada. Faly erỳ Dada rehefa nanampy azy aho. Be andraikitra be koa mantsy izy tany amin’ny fiangonana.
Nifindra tany Udipi, tanànanay taloha, i Dada sy Neny tamin’ny 1966. Hoy i Dada tamiko tamin’izy hiala tatỳ Bombay: “Ampitomboy foana ny fahaizanao, anaka. Ataovy tsotra sy mazava ny fandikan-teninao. Aza matoky tena loatra fa manetre tena foana. Miantehera amin’i Jehovah.” Io no torohevitra farany nomeny ahy, satria maty izy rehefa tonga kelikely tany Udipi. Miezaka mafy manaraka an’izany foana aho hatramin’izao, rehefa mandika teny.
“Ianao ve tsy mba te hanorin-tokantrano e?”
Fomban’ny Karàna fahiny ny hoe ny ray aman-dreny no mitady vady ho an’ny zanany lahy sy vavy, dieny izy ireo mbola kely, sady mampirisika azy ireo hanorin-tokantrano. Nisy nanontany foana àry aho hoe: “Fa ianao ve tsy mba te hanorin-tokantrano e? Iza no hikarakara anao rehefa antitra? Tsy hahatsiaro ho manirery ve ianao amin’izany?”
Nisy niteny an’izany foana aho ka nandreraka ahy ihany izany indraindray. Mody tsy nihontsina aho rehefa teny imason’olona, kanefa naborako tamin’i Jehovah daholo izay tato am-poko, rehefa irery aho. Nampahery ahy ny nahafantatra fa tsy noheverin’i Jehovah ho sampona aho, satria hoe mpitovo. Vao mainka aho tapa-kevitra ny hijanona ho mpitovo ka hifantoka amin’ny fanompoana azy, rehefa mieritreritra ny zanakavavin’i Jefta sy Jesosy. Samy mpitovo mantsy izy ireo sady samy variana nanao ny sitrapon’Andriamanitra.—Jaona 4:34.
Fanomezana avy amin’i Jehovah
Mpinamana be efa ho 50 taona izahay sy Elizabeth. Maty izy tamin’ny 2005, tamin’izy 98 taona. Tsy nahita intsony ny masony tamin’ireo taona faramparany, ka tsy afaka namaky Baiboly intsony izy. Nivavaka tamin’Andriamanitra foana àry no nandaniany ny androatokom-piainany. Noheveriko fa nisy olona nifampiresaka andinin-teny taminy indraindray. Hay izy niresaka tamin’i Jehovah. Tena misy izy taminy ary hoatran’ny hoe eo akaikiny eo mihitsy. Fantatro fa izany no fomba tsy hivadihana amin’Andriamanitra mihitsy, toy ny nataon’ny zanakavavin’i Jefta. Tena misaotra an’i Jehovah aho nomeny an’io rahavavy be taona sy matotra io, satria izy io no nampiofana ahy tamin’izaho mbola tanora kokoa sady nampahery ahy tao anatin’ny sarotra.—Mpitoriteny 4:9, 10.
Tena fitahiana be ho ahy ny manompo an’i Jehovah toy ny nataon’ny zanakavavin’i Jefta. Mbola mpitovo foana aho izao ary manaraka ny torohevitry ny Baiboly, ka izany no mahatonga ahy hahita soa sy ho afa-po amin’ny fiainana. Izany koa no ahafahako manompo “ny Tompo mandrakariva tsy misy fieritreretana zavatra hafa.”—1 Korintianina 7:35.
[Sary, pejy 28]
I Dada, tamin’izy nanao lahateny tatỳ Bombay tamin’ny 1950 tany ho any
[Sary, pejy 28]
Izaho sy Elizabeth taloha kelin’ny nahafatesany
[Sary, pejy 29]
Nanentana ny olona tatỳ Bombay mba hanatrika lahateny ara-baiboly tamin’ny 1960
[Sary, pejy 29]
Izaho sy ireo mpandika teny miara-miasa amiko, ao amin’ny biraonay