Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Mba hisy ihany ve izany fanjakana hitondra maneran-tany izany?
Tena ho tsara ny fiainan’ny olombelona raha iray ihany ny fitondrana maneran-tany. Maro no mijaly ankehitriny satria mahantra faraidiny. Misy anefa manankarem-be. Hahazo an’izay ilainy kosa ny olona rehetra raha fanjakana iray mitady izay hahasoa ny olona no mitondra ny tany manontolo. Hahatsangana fanjakana toy izany ve ny olombelona, araka ny hevitrao?—Vakio ny Jeremia 10:23.
Mbola tsy nisy fanjakan’olombelona nahavita nikarakara tsara ny vahoakany, indrindra fa ny mahantra. Tsy mifaditrovana mihitsy aza ny fanjakana sasany. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) Nampanantena anefa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra fa hisy fanjakana hisolo ny fanjakan’olombelona. Tena hikarakara ny olombelona ny Mpitondra azy io.—Vakio ny Isaia 11:4; Daniela 2:44.
Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
Nifidy Mpanjaka tena mahay i Jehovah Andriamanitra mba hitondra ny tany manontolo. Tsy iza izy io fa i Jesosy Zanany. (Lioka 1:31-33) Tia nanampy olona izy tamin’izy tetỳ an-tany. Rehefa hitondra ny tany izy, dia hampihavana ny olona any amin’ny firenena rehetra sy hanala ny fijalian’izy ireo.—Vakio ny Salamo 72:8, 12-14.
Tsy ny olona rehetra no hanaiky an’i Jesosy ho Mpitondra. Manam-paharetana anefa i Jehovah. (2 Petera 3:9) Mbola avelany hampiseho aloha ny olona hoe manaiky an’i Jesosy ho Mpitondra. Tsy ho ela dia handringana ny ratsy fanahy i Jesosy ary hampanjaka ny fiadanana sy filaminana maneran-tany.—Vakio ny Mika 4:3, 4.