Fanomezana ho An’ny Mpanjaka
‘Nisy mpanandro avy any atsinanana namoaka ny fanomezana sarobidy nentiny, dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora, ka natolony azy.’—Matio 2:1, 11.
INONA no fanomezana tianao homena olona ambony? Sarobidy toy ny volamena ny zava-manitra sasany fahiny, ka anisan’ny zavatra azo natao fanomezana ho an’ny mpanjaka. * Tsy mahagaga raha zava-manitra ny roa tamin’ny fanomezana nomen’ireo mpanandro ho an’ny “mpanjakan’ny Jiosy.”—Matio 2:1, 2, 11.
Tantarain’ny Baiboly koa hoe nitsidika an’i Solomona Mpanjaka ny mpanjakavavin’i Sheba, ka nanome azy “talenta volamena roapolo amby zato”, ary “menaka balsama be dia be sy vatosoa. Ary betsaka tsy nisy toy izany ny menaka balsama nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona.” * (2 Tantara 9:9) Maro koa ny mpanjaka nandefa menaka balsama ho an’i Solomona ho mariky ny fihavanana.—2 Tantara 9:23, 24.
Nahoana ny zava-manitra no tena sarobidy sy lafo be, fahiny? Be mpitady izy ireny satria nilaina tamin-javatra maro, ohatra hoe nanatsarana tarehy na nampiasaina tamin’ny fivavahana na nikarakarana faty. (Jereo ilay hoe “ Ahoana no Nampiasana ny Zava-manitra Fahiny?”) Vola be koa ny nitaterana azy sy ny masonkarenany.
NAMAKIVAKY NY TANY EFITR’I ARABIA
Nisy zavamaniry natao hakana zava-manitra, tany amin’ny Lohasahan’i Jordana fahiny. Nohafarana tany an-tany hafa kosa ny zava-manitra sasany. Maro ny zava-manitra voatonona ao amin’ny Baiboly. Miverimberina ao, ohatra, ny safrona, aloesy, balsama, kanelina, ditin-kazo manitra (oliban), ary miora. Eo koa ny zava-manitra fanao amin’ny sakafo, toy ny komina sy ny solila (menthe) ary ny aneta.
Avy taiza ireo zava-manitra tonga tany Israely? Avy tany Chine sy Inde ary Sri Lanka ankehitriny ny aloesy sy kasia ary kanelina. Tany an-tany efitra, any amin’ny faritra atsimon’i Arabia ka hatrany Somalia, any Afrika, kosa no nisy an’ireo hazo lehibe sy madinika nakana miora sy ditin-kazo manitra. Tsy hita afa-tsy tany Himalaya, any Inde, kosa ny narda.
Namakivaky an’i Arabia ny zava-manitra maro, izay vao tonga tany Israely. Ny Arabo àry no “tena mpitatitra” azy ireny “avy tany Atsinanana nankany Andrefana”, nandritra ny 2 000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, hoy Ny Boky Momba ny Zava-manitra (anglisy). Nahitana tanàna sy toerana fijanonan’ny mpivaro-mandeha ary tanàna voaro mafy, tany Negev, any amin’ny faritra atsimon’i Israely, ary fantatra hoe nandalo tamin’ireny ny mpivarotra zava-manitra. Hita avy tamin’ireny tanàna ireny koa
fa “nahazoan-tombony be ilay varotra ... nanomboka tany amin’ny faritra atsimon’i Arabia ka hatrany Mediterane”, araka ny tatitry ny UNESCO.“Tena tian’ny olona ny nivarotra zava-manitra satria be mpitady foana izy ireny sady kely fotsiny dia efa ahazoana vola be.” —Ny Boky Momba ny Zava-manitra
Nisy mpivaro-mandeha nitondra zava-manitra be dia be foana tany an-tany efitr’i Arabia, ary namakivaky 1 800 kilaometatra teo ho eo izy ireo! (Joba 6:19) Milaza, ohatra, ny Baiboly fa nisy Ismaelita mpivarotra zava-manitra avy tany Gileada nankany Ejipta, nitondra “ditin-kazo ladanoma sy balsama ary hodi-kazo misy ditiny.” (Genesisy 37:25) Nivarotra an’i Josefa rahalahiny tamin’ireo mpivarotra ireo ny zanak’i Jakoba.
‘TSIAMBARATELO TSARA AFINA’
Ny Arabo no tena mpivarotra zava-manitra, nandritra ny taonjato maro. Izy ireo irery no mpitondra zava-manitra avy tany Azia, anisan’izany ny kasia sy ny kanelina. Tsy tiany hifampiraharaha mivantana tamin’ny mpamokatra tany Azia ny olona tany amin’ny faritr’i Mediterane, ka nanely tsaho izy ireo hoe mampidi-doza ny maka zava-manitra. Tsy nisy nahalala àry hoe avy taiza marina izy ireny. “Raha nisy koa tsiambaratelo momba ny varotra, dia io angamba no tsara afina indrindra”, hoy ihany Ny Boky Momba ny Zava-manitra.
Hoatran’ny ahoana ny tsaho naelin’ny Arabo? Nitantara, ohatra, i Hérodote, mpahay tantara grika, niaina tamin’ny taonjato fahadimy T.K., hoe misy vorona mampahatahotra, hono, mipetraka eny ambony hantsana sarotra iakarana, ary manao akany amin’ny hodi-kazo kanelina. Mametraka hena be dia be eo am-pototr’ilay hantsana ny mpaka kanelina mba halain’ilay vorona. Be loatra ny hena taterin’ilay vorona, ka mianjera eny ambany ny akaniny. Angonina haingana ireo hodi-kazo kanelina,
avy eo, ary amidy amin’ny mpivarotra zava-manitra. Niely be ny tsaho toy izany. Lafo be àry ny kanelina satria “nolazaina hoe mampidi-doza ny maka azy”, hoy Ny Boky Momba ny Zava-manitra.Nipoitra ihany ny marina tatỳ aoriana, ka tsy ny Arabo irery intsony no nivarotra zava-manitra. Lasa seranan-tsambo lehibe ho an’ny zava-manitra i Aleksandria, any Ejipta, tamin’ny taonjato voalohany T.K., sady nanjary tsenaben’ny zava-manitra. Lasa hain’ny tantsambo ny nanararaotra ny fitsokan’ny rivotra atỳ amin’ny Oseana Indianina, ka maro ny sambo romanina niainga avy tao Ejipta nankany Inde. Nihabetsaka àry ny zava-manitra ka nidina ny vidiny.
Tsy sarobidy toy ny volamena intsony izao ny zava-manitra. Tsy misy mieritreritra intsony koa hoe fanomezana ho an’ny mpanjaka izy ireny. Olona an-tapitrisany eran-tany anefa no mbola mampiasa azy ireny hanaovana ranomanitra na fanafody, na mba hampahatsiro sy hahamanitra kokoa ny sakafo. Mbola be mpitia toy ny taloha ihany ny zava-manitra, noho ny fofony manintona.
^ feh. 3 Zavatra manitra azo avy amin’ny zavamaniry fa tsy zavatra fanao amin’ny sakafo no tena tiana holazaina amin’ilay teny hebreo sy grika nadika hoe “zava-manitra”, ao amin’ny Baiboly.
^ feh. 4 Ditin-kazo manitra na menaka manitra avy amin’ny hazo lehibe sy madinika no tiana holazaina amin’ny hoe “menaka balsama.”