MATOAN-DAHATSORATRA | TSY ILAINA INTSONY VE NY BAIBOLY FA EFA EO NY SIANSA?
Voafetra ny Zava-bitan’ny Siansa
Betsaka tato ho ato ny boky miresaka momba ny hevitr’ireo antokon’olona vaovao tsy mino an’Andriamanitra. Nahaliana olona maro izy ireny, sady niteraka adihevitra sy resa-be. Hoy i David Eagleman, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra: ‘Mihevitra ny mpamaky sasany an’ireny boky ireny fa mahay ny zava-drehetra ny mpahay siansa. Malala-tsaina anefa ny tena mpahay siansa, ary mahita zava-baovao sy tsy ampoizina foana izy ireo.’
Nahita zava-baovao be dia be tsy nampoizina tokoa ny manam-pahaizana hatramin’izay, rehefa nanao fikarohana mba hamaliana ny fanontanian’ny olona momba ny zavaboary. Nanao fahadisoana koa anefa ny sasany tamin’izy ireny. Mpahay siansa tena niavaka, ohatra, i Isaac Newton. Izy no nanazava hoe ahoana no ahafahan’ny hery misintona mifehy ny planeta sy ny kintana ary ny vahindanitra eo amin’izao rehetra izao. Izy koa no namorona an’ilay taranja amin’ny matematika, izay nahafahana nanamboatra ordinatera sy nandeha any ambony tsy taka-maso any ary nandalina momba ny fizika niokleary. Nampiasa astrolojia sy mazia koa anefa i Newton ka nanandrana nanova ny metaly sasany, toy ny firamainty, ho lasa volamena.
Efa 1 500 taona mahery talohan’izay i Ptolémée, astronoma grika, no nandinika ny zavatra teny amin’ny lanitra. Arahiny maso ny lalan’ny planeta, rehefa alina, ary nahay nanao sarintany koa izy. Nino koa anefa izy hoe mihodina manodidina ny tany ny zava-drehetra. Nanoratra toy izao momba an’i Ptolémée i Carl Sagan, manam-pahaizana momba ny zavatra eny amin’ny lanitra: “Nekena nandritra ny 1 500 taona ilay heviny hoe ny tany no eo afovoan’izao rehetra izao, nefa diso izany. Mety ho diso hevitra àry na dia ny olona mahay be aza.”
Toy izany koa ny mpahay siansa ankehitriny. Mety ho vitan’izy ireo ihany ve ny hanome fanazavana feno momba an’izao rehetra izao? Ekena aloha fa tena nahavita zavatra niavaka ny siansa sady mitondra soa ho antsika izy ireny. Tadidio anefa fa voafetra ihany ny zava-bitan’ny siansa. Hoy i Paul Davies, mpahay fizika: “Na dia hitady fanazavana feno sy mitombina tsara momba an’izao rehetra izao aza isika, dia tsy hahita mihitsy.” Tena marina izany. Tsy ho hain’ny olombelona amin’ny an-tsipiriany mihitsy ny momba an’izao rehetra izao. Rehefa misy milaza àry hoe ny siansa no mahavita manazava ny zava-drehetra, dia ara-dalàna isika raha tsy manaiky an’izany avy hatrany.
Tsy vitan’ny siansa ny manome antsika ny zavatra omen’ny Baiboly
Tena mahatalanjona ny zavaboary. Hoy ny Baiboly: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany [Andriamanitra] izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy!” (Joba 26:14) Mbola be dia be ny zavatra tsy fantatry ny olombelona sady tsy takatry ny sainy. Marina ny tenin’ny apostoly Paoly, izay nosoratany efa ho 2 000 taona lasa izay. Hoy izy: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!”—Romanina 11:33.