Nanampy ny Olona Hahazo ny Tenin’Andriamanitra ny Baibolin’i Bedell
NANDEHA tany Irlandy ny pasitera anglisy atao hoe William Bedell, tamin’ny 1627, ka gaga rehefa nahita ny zava-nisy tany. Katolika mantsy ny ankamaroan’ny olona nefa Protestanta anglisy no nitondra. Efa nadikan’ny mpitondra fanavaozana tamin’ny fiteny samihafa nampiasaina eran’i Eoropa ny Baiboly. Tsy nisy nieritreritra ny handika azy io tamin’ny teny irlandey anefa.
Hitan’i Bedell hoe tsy rariny raha avela fotsiny amin’izao ny Irlandey, satria tsy mahay teny anglisy. Te hamoaka Baiboly amin’ny teny irlandey àry izy. Nisy nanohitra mafy anefa izy, ary ny Protestanta no tena nanao an’izany. Fa nahoana?
TSY NAVELA HAMPIASAINA NY TENY IRLANDEY
Niezaka nianatra teny irlandey i Bedell. Lasa talen’ny Oniversiten’i Trinity tany Dublin izy, ary avy eo lasa evekan’i Kilmore. Nampirisihany hampiasa teny irlandey ny mpianatra. I Élisabeth I, mpanjakavavin’i Angletera, no nanorina an’io oniversite io. Ny tanjony dia hoe hanofana pasitera mba hampianatra Baiboly ny vahoakany amin’ny fitenin-drazan’izy ireo tsirairay avy. Niezaka nanao an’izany àry i Bedell.
Niteny irlandey ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny diosezin’i Kilmore. Nangataka pasitera nahay niteny irlandey àry i Bedell. Nitovy hevitra tamin’ny apostoly Paoly izy. Hoy mantsy i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 14:19: “Aleoko milaza teny dimy azon’ny saiko mba hampianarako ny hafa koa, toy izay hilaza teny iray alina amin’ny fiteny samihafa.” Nihevitra i Bedell hoe aleo fiteny azon’ny olona ihany no ampianarana azy ireo.
Nosakantsakanan’ny manam-pahefana anefa ny ezaka rehetra nataony. Nilaza ny mpahay tantara fa nisy nihevitra hoe “mampidi-doza ny Firenena” ny fampiasana teny irlandey, ary ny hafa indray niteny hoe “manelingelina ny tombontsoan’ny Fanjakana” izany. Nisy kosa nieritreritra hoe tsara kokoa raha tsy ampianarina ny Irlandey, mba ho tombontsoan’i Angletera. Nisy lalàna navoaka mihitsy aza hoe tokony hiala amin’ny fomban-drazany ny Irlandey ary tsy hampiasa ny fiteniny intsony, fa hianatra teny anglisy ary hanaraka ny fomba amam-panao anglisy.
NY EZAKA NATAON’I BEDELL
Tsy nahakivy an’i Bedell anefa izany. Tamin’ny 1632 tany ho any, dia nadikany tamin’ny teny irlandey ilay Baiboly anglisy nivoaka farany tamin’izany (ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, tamin’ny 1611). Te hamoaka Baiboly mazava tsara amin’ny olona be dia be izy. Resy lahatra izy fa tsy ho fantatry ny olona mahantra mihitsy hoe ahoana no hahazoana fiainana mandrakizay, raha tsy adika amin’ny fitenin’izy ireo ny Baiboly.—Jaona 17:3.
Efa nisy nitovy hevitra tamin’i Bedell, 30 taona teo ho eo talohan’izay. Tsy iza izany fa ny eveka William Daniel. Hitany hoe sarotra be tamin’ny olona ny nianatra Baiboly, satria tsy hainy akory ilay fiteny nanoratana an’ilay izy. Nadikan’i Daniel tamin’ny teny irlandey àry ny Soratra Grika Kristianina. I Bedell indray izao no handika ny Soratra Hebreo. Natambatra ny fandikan-tenin’izy roa lahy, ka nantsoina hoe Baibolin’i Bedell. Io no Baiboly voalohany voadika tamin’ny teny irlandey, ary tsy nisy afa-tsy io nandritra ny 300 taona nanaraka.
Nanam-pahaizana momba ny teny hebreo i Bedell. Niantso Irlandey anankiroa izy hanampy azy handika an’ilay Baiboly. Rehefa voadika ilay izy, dia nisy namany natokisany iray na roa nasainy nanampy azy hanamarina ny andinin-teny tsirairay sy hanatsara an’ilay izy. Ireto avy ny loharanon-kevitra nojeren’izy ireo: Baiboly italianina nadikan’i Giovanni Diodati avy any Soisa, ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary sora-tanana amin’ny Baiboly Hebreo.
Nanaraka ny fomba fiasan’ireo nandika ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques izy ireo, ka nampidiriny tao ny anaran’Andriamanitra. Nataon’izy ireo hoe “Iehovah”,ohatra, ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Eksodosy 6:3. Notehirizina ao amin’ny Tranombokin’i Marsh, any Irlandy, ny sora-tanan’i Bedell.—Jereo ilay efajoro hoe “Nahatsiaro Sady Nankasitraka An’i Bedell Izy Ireo.”
NAVOAKA IHANY ILAY BAIBOLY
Vita tanteraka ilay tetikasan’i Bedell tamin’ny 1640 tany ho any, nefa tsy tonga dia azony navoaka. Mbola nisy nanohitra be mantsy izy. Noharatsin’ny mpitsikera ny lehiben’ny mpandika tenin’i
Bedell, amin’izay tsy ho tian’ny olona ny zavatra nadikany. Nosamborin’izy ireo mihitsy aza izy, ary avy eo nogadrainy. Nisy antokon’olona tsy tia Anglisy koa, ka nitarika ny olona hikomy tamin’ny 1641 ary be dia be no maty. Narovan’ny Irlandey i Bedell na dia Anglisy aza, satria nitady izay hahasoa azy ireo. Nogadrain’ny miaramila mpikomy anefa izy tamin’ny farany. Nijaly be izy tany, ka azo antoka fa izay no nahafaty azy haingana, tamin’ny 1642. Tsy hitany akory ny nivoahan’ilay Baiboly.Nisy nandroba sy nandrava ny tranon’i Bedell, ka saika tsy nisy niangana ny zavatra voadikany. Soa ihany fa nisy namany akaiky naka an’ilay izy. Nalain’i Narcissus Marsh ilay izy, tatỳ aoriana. Lasa evekan’i Armagh izy, ary avy eo arsevekan’ny Fiangonan’i Irlandy. Nahazo vola tany amin’ilay mpahay siansa atao hoe Robert Boyle izy, ary sahy namoaka ny Baibolin’i Bedell, tamin’ny 1685.
TENA NILAINA NA DIA TOA TSY NISY DIKANY AZA
Tsy nalaza eran-tany ny Baibolin’i Bedell nefa tena nilaina. Nanampy ny olona hahazo tsara an’izay lazain’ny Baiboly mantsy izy io, indrindra fa ireo olona niteny irlandey tany Irlandy sy Ekosy ary tany an-tany hafa koa. Azon’izy ireo atao izao ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fitenin-drazany, ka afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra izy ireo.—Matio 5:3, 6.
“Hoatran’ny hoe miresaka aminay amin’ny fitenin-drazanay Andriamanitra, rehefa mamaky ny Baibolin’i Bedell izahay. Tena zava-dehibe izany satria nanampy anay mianakavy hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina”
Mbola manampy ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra ny Baibolin’i Bedell hatramin’izao. Vao haingana, ohatra, ny lehilahy iray miteny irlandey no nianatra an’izay tena ampianarin’ny Baiboly. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe miresaka aminay amin’ny fitenin-drazanay Andriamanitra, rehefa mamaky ny Baibolin’i Bedell izahay. Tena zava-dehibe izany satria nanampy anay mianakavy hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina.”