Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Handray Anao i Jehovah

Vonona Handray Anao i Jehovah

Haka:

  1. 1. Tsy ela izay fa toy ny omaly,

    Ianao nientam-po sy faly,

    Fa nahafantatra ahy,

    Nefa avy eo nandao.

    Fa tany ianao tsy hoe nanadino,

    Mbola tia ahy sady nino,

    Ka nanembona ahy. Miverena izao!

    (FIVERENANA)

    Miandry anao ’nie aho.

    Ho fiainam-baovao!

    Eto ianao no ho tony.

    Izaho no hiahy anao,

    F’aza miala intsony.

  2. 2. Avia fa tiako hatoro anao

    Izay tokony hatao,

    Mba ho sitrana ilay fo maratra.

    Intỳ aho vonona ny handray!

    Miverena amin’izay,

    Ary mifalia.

    Hadinoy ny lasa!

    (FIVERENANA)

    Tonga soa ianao!

    Ho fiainam-baovao!

    Eto ianao no ho tony.

    Izaho no hiahy anao,

    F’aza miala intsony.

    Tonga soa!